Namoaka ny tetiandrom-pifidianana tamin`ny alalan`ny didy hitsivolana lah. 2019-56 ny avy eo anivon`ny primatiora izay miantso ny olom-pirenena ho tonga handatsa-bato amin`ny fifidianana solombavambahoaka.
Efa nanamafy ihany koa ny filankevitry ny governemanta natao ny zoma hariva lasa teo. Hotontosaina ny alatsinainy 27 mey ho avy izao izy io, tsy nivaona tamin`ny daty natolotry ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny alakamisy lasa teo. Ity didy hitsivolana ity, araka izany, no fanamarinana na faneken`ny teo anivon`ny governemanta tarihan`ny praiminisitra Ntsay Christian. Voahaja, araka izany, ny voatondro rehetra araka ny lalàna, indrindra ny 90 andro napetraka hiantsoana ny mpifidy handatsaham-bato. Marihana fa 5 tapitrisa Ariary no anto-bola ho fandraisana anjaran’ny kandidà depiote amin`ny fanontana vatom-pifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.