Hisokatra manomboka anio alatsinainy 06 mey ary haharitra 20 andro ny fandrotsahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo maniry ny hanao solombavambahoaka manerana ny Nosy. Miisa 151 ireo hofidiana amin’izany raha 400.000 Ar kosa no lelavola antoka ho an’ireo handray anjara. Eny amin’ny kaomisiona momba ny fifidianana eny anivon’ny Distrika no hapetraka ny antontan-taratasy, araka ny fanazavan-dRakotonarivo Thierry, Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny atitany. Araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity dia roa ny solombavambahoaka fidiana ho an’ny Distrika manana mponina mihoatra ny 250.000, iray kosa raha latsak’izay. Tsy maintsy mametra-pialana amin’ny toerany 60 andro mialoha ny 25 septambra, androm-pifidianana, kosa ireo tompon’andraiki-panjakana maniry ny hilatsaka, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity. Mbola anisan’ny fepetra tsy maintsy hohajain’izy ireo ihany koa ny tsy fampiasana ny fitaovana na fananam-panjakana na koa volam-panjakana izay mety handoavana lamandy 2 ka hatramin’ny 20 tapitrisa Ar miampy gadra 5 taona any am-ponja.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.