Miisa 151 ireo solombavambahoaka handrafitra ny antenimieram-pirenena. Miisa 2 avy ho an'ireo distrika enina eto Antananarivo Renivohitra.
2 avy ihany koa isak'ireo distrika eny anivon'ny renivohi-paritany ankoatra an'Antananarivo. 2 ho an'ireo distrika manana mponina mihoatra ny 300 000. 1 kosa ho an'ireo distrika manana mponina latsaky ny 300 000. Misy toerana tena vitsy mpifidy kanefa amin’ny distrika eny amin’ny renivohi-paritany azy, dia miisa roa tahaka ny any Antsiranana I, Fianarantsoa I,… Ho an’ireo distrika hanana depiote roa dia misy kajikajy eo amin’ny fahazoana ny toerana. Raha toa latsaky ny antsasamanilan’ny azon’ny antoko na kandida nahazo vato be indrindra ny an’ny faharoa, dia mahazo ny toeran’ny depiote roa avy hatrany ny voalohany. Raha mihoatra an’izay antsasa-manila izay kosa ny an’ny faharoa, dia eo no mifampizara ny toerana. Ao anatin’ny fanamafisana ny paikadiny hoenti-miady amin’ny fifidianana depiote ny antoko sy vondron’antoko lehibe toy ny TIM sy ny MAPAR ary ny HVM. Somary mirona any amin’ny fandrotsahana kandida amin’ny alalan’ny vovonana ireo antoko lehibe ireo. Samy manana ny paikadiny ary andrasana ny ho tena fisehony, fa raha ho an’ny HVM, dia nanangana ny vovonana VTT (Vondron’ny Tia Tanindrazana) ireo depiote niara-dia taminy. Fotoana hahafahan’ny TIM sy ny K25 ny tena manamafy ny tanjany hisian’ny fifandanjan-kery ara-politika io, taorian’ny fifidianana filoha. Hanao izay ho afany ihany koa anefa ny antokon’ny fitondrana, ka karazan’ny lalao famerenanana ny fifidianana filoha io. Raha ny hita teto an-drenivohitra dia nisy ireny karazana fifidianana savaranonando ireny nanoloran’ny mpikatroka TIM ifotony (base) izay heveriny fa tokony hotohanana izay ahitana olom-baovao, fa ny Birao foibe no manapaka farany. Ho an’ny MAPAR kosa, re siosio fa ho maro amin’ireo efa solombavambahoaka teo aloha no hailika tsy hitondra ny lokon’ny antoko intsony raha mbola mieritreritra ny hirotsaka. Efa hita taratra ihany koa ny karazana fifampihantsiana eo amin’ny samy ekipan’ny filoha ankehitriny, raha tarafina amin’ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom Lalatiana Rakotondrazafy, fa handrotsaka olona izy ireo ka izay toerana misy kandidany dia tsy tokony hisy avy amin’ny antoko hafa mitovy fironana aminy. Ny ao anatin’ny ARMADA anefa, dia nilaza fa kandida tokana no hiaraha-manolotra. Raha ny vinavina, mety ho maro ihany no hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana fa tsy antoko (indépendant) amin’ny fifidianana ho avy eo satria somary ady sisika be ihany ny ho kandidan’ny antoko na vovonana politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.