Tsy ao anaty rafi-panjakana intsony ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara, taorian’ny faharavan’ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena.
Tsy mba anisan’ireo voavidim-bola hamadika palitao na nisarizoro nitady seza tahaka ireo sokajiana ho antoko na mpanao politika tsy misy hazondamosina fa mijoro hatrany amin’ny foto-kevitra. Izao vao tena azo sokajiana ho ao anatin’ny fanoherana ny TIM, ary tsy mivaona amin’ny foto-keviny, dia ny fanasoavana ny mpiray tanindrazana, araka ny tarigetra hoentin’i Marc Ravalomanana. Mijoro hatrany amin’ny fanoherana ireo heveriny fa tsy mety sy tsy rariny eto amin’ny firenena, niainga tamin’ny tsy fahamarinana tamin’ny fifidianana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny hala-bato, manabe sy mitarika ny vahoaka hatrany eo anatrehan’ny tsy rariny. Efa manomana ny fiatrehana ny 5 taona manaraka, ary fotoana lehibe izao hamondronany ny heriny izao. Miomana amin’ny fandaharana mpilalao afaka ny hijoro sy hitondra ny fanevan’ny antoko amin’ny fifidianana ho avy eo. Zavatra mety ho lojikan’ny antoko ny mety ho fametraham-pialan’ny mpitarika tahaka ny nialan’ny sekrtera jeneralin’ny TIM Olivier Donat Andriamahefamparany, taorian’ny fifidianana filoha satria isan’ny iraka lehibe ny fampandaniana azy amin’ny fifidianana, izay tsy tanteraka noho ny antony samihafa. Tsy vaovao amin’ny antoko lehibe rahateo ny mety hisian’ny fanamboarana rehefa hiatrika dingana vaovao manaraka. Fotoana hanamafisana ny firaisankina sy handrafetana paikady vaovao izao, ary efa mazava ny toromarika sy ny baikom-pitolona dia ny fiatrehana ny fifidianana rehetra ho avy toy ny solombavambahoaka amin’ny alalan’ny vovonana “TIM.K25”. Tsy mialon-jafy rahateo ny vovonana, ary efa nandeha sy mitohy ny antso avo samihafa ho an’ny fikambanana, firaisamonim-pirenena, olom-pirenena tsotra,… satria mivoha midanadana ho an’ny rehetra ny vovonana. Henjana ny miandry ny TIM.K25 eo anatrehan’ny kajikajy politika samihafa kotrehina amin’izao fotoana kanefa fotoana koa io hanaporofoana fa tsy resy fa noresena tamin’ny fifidianana filoha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.