Politique

Fifidianana solombavambahoaka Hafa ihany ireo kandida voafehin’ny antoko, hoy ny VOT


  • Talata 02 Aprily 2019

Naneho ny heviny mikasika ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny volana mey ho avy io ny Vondron’Olon-Tsotra ( VOT), tarihin-dRtoa Sarah Zoe.

 

 

 

Nambarany fa mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny filoha Ravalomanana manofana ireo kandida natolotry ny antoko TIM hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka. Ny hahatonga azy ireny ho tena mpanao lalàna, hahay hitondra ny hetahetam-bahoaka no tena tanjona fa tsy sanatria ho mpanangan-tanana sy ho variana amin’ny malety fotsiny rehefa tonga eny Tsimbazaza, fihetsika izay tena nanimba ny hasin’ny solombavambahoaka teto amintsika. Tsy latsa-danja amin’izay ny asa fampandrosoana ananan’ny filoha Ravalomanana traikefa tokoa ankoatra ny maha mpitarika mahay azy. Miantso ny olom-pirenena hahay hifidy izay solombavambahoaka  tena vonona ny hitondra fampandrosoana marina ny VOT ka ho avy hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Nanaovany  antso avo ihany koa ny CENI mba tena hanao ny asany araka ny tokony ho izy ka hitandro ny hasin’ny fifidianana sy ny mangarahara hatrany ho fanajana ny safidim-bahoaka. Nomarihin-dRtoa Sarah Zoe manokana fa samy manana ny safidiny ny kandida tsirairay amin’ny filatsahan-kofidiana saingy hafa ihany ireo voafehin’ny antoko misy azy. Ho an’ny antoko TIM manokana dia fantatra fa tsy manana kandida hafa ankoatra ireo natolotry ny K 25 izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT