Fitoriana miisa roa amin` ireo 21, izay voarain` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mbola tsy namoahany fanapahan-kevitra.
Fitoriana izay napetrak` ireo mpirotsa-kofidiana solombavambahoaka ka nolavin` ny CENI. Ny zoma lasa teo, 19 ireo fitoriana no efa nahazoana valiny saingy tsy nahazo rariny teo anivon` ny HCC. Tsy fandoavana ny antom-bola 5 tapitrisa ariary fandraisana anjara amin` ny fanotana ny biletà toka avokoa no antony nandavan` ny CENI ny firotsahan-kofidin` izy ireo. Teo ihany koa ny tsy fahafenoin` ireo antontan-taratasy. Tsiahivina fa ny 21 martsa no fe-potoana farany namoahan` ny HCC fanapahan-kevitra amin`ireo fitoriana ireo. Andrasana ny fanapahan-kevitra amin` ireo fitoriana roa ambiny. Tsy hanova zavatra izany satria efa vita ny an-kitsapaka amin`ny filaharana ao anatin` ny bileta tokana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.