Manimba tsimoramora ny tontolo politika ny hala-bato sy ny hosoka samihafa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Mitondra fahakiviana sy tsy fandraisan’andraikitra ho an’ny olom-pirenena, hany ka toa lasa kamo na ny mpifidy na ny kandida io.
Izay no heverina fa mampihena ny taham-pandraisana anjaran’ny kandida solombavambahoaka satria tsy te ho very vola amin’ny fifidianana heveriny ho toy ny tamin’ny fifidianana filoha nisy hosoka, hanomezana vahana kandidam-panjakana. Ny vola anefa vao maika niakatra fa ny fitokisana ny fifidianana kosa tena nitotongana. Raha 400 000 ariary tamin’ny 2013 ny antoka ara-bola, dia 5 000 000Ar tamin’ity. Mety efa endrika fanilihana ihany koa io volabe io. 855 ny dosie voaray tamin’ity, ary mety mbola hihena ny isan’ny kandida mazava ho azy, kanefa ny tamin’ny 2013 dia 2830 ireo kandida nanerana ny Nosy. Avy amina antoko na vondrona antoko ny 340 amin’ireo antontan-taratasy, ary avy amin’ny kandida mahaleo tena kosa ny 515, raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI Atoa Thierry Rakotonarivo. 58 teo ho eo no isan’ny antoko na vondron’antoko amin’ireo nandrotsaka kandida raha toa 210 no ara-dalàna. Miisa 106 ny kandidan’ny IRD, na ny vovonana tohanan’i Andry Andry Rajoelina, ary 79 kosa ny avy amin’ny Tiako I Madagasikara na ny TIM. Tsy tako-nafenina ny karazana hosoka nibaribary, toy ny hoe: nihoatra lavitra noho ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana no tonga nandatsa-bato. Fahendrena sy fandeferan’ny kandida ankilany no nampilamina ny tany, fa raha tsy izany efa rombo indray teto. Ireny niara-nahita ireny ny setrin’ny fitoriana samihafa satria: “azo raisina fa tsy mitombina” avokoa izy rehetra. Mety tsy hazoto intsony koa ny mpanara-maso. Efa vita ireny sy tsy manova ny vokatra intsony ireny, saingy miteraka leson-dratsy sy manome vahana ny tsy fanarahan-dalàna. Lojika raha zara raha misy 2,53% ny fiakaran’ny tahan’ny fisoratan’anarana tao anaty lisi-pifidianana. 250 000 eo ny fiakarana manerana ny nosy, ka raha 9 903 915 izany tamin’ny fifidianana teo aloha, dia nitombo kely ho 10 154 639. Kivy ihany koa ny olona. Fifidianana manakaiky vahoaka anefa ny fifidianana solombavambahoaka, ka ho mora kokoa amin’ny olom-pirenena ny manara-maso izany. Mbola manana hatramin’ny 25 martsa hanamarinana sy hisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana ny olom-pirenena tsirairay, ary vao mainka hanome vahana ny ratsy miraviravy tànana hitazam-potsiny sy tsy handray andraikitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.