Hafana ny fiadian-toerana ho solombavambahoakan’ny Distrikan’Antsirabe I raha ny tombana miainga amin’ireo lisitra miisa 30 hifaninana.
Misy ireo kandidà no mba fantatra fa dia misy mihitsy no olom-baovao amin’ny sehatra politika ao Antsirabe kanefa dia sahy ny hifaninana amin’io andraikitra io. Anisan’ny nanaitra ny an’ny TGV izay nanao fanambarana ny alahady 23 septambra fa ho amin’ny anaran’ny vononana “Miaraka amin’ny prezida Rajoelina» no hirotsahan’izy ireo fa tsy ho amin’ny anaran’ny TGV, ka ny CT Hajarisaona Elima no mitarika ny lisitra amin’izany. Tetsy an-kilany dia fantatra fa hanana ny kandidàny koa ny «Isika rehetra tsy maintsy mandresy» izay manohana ny kandidà Edgard Razafindravahy ka ny CT teo aloha Rakotondramavo Raymond no mitarika ny lisitra rehefa notsipahin’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra teo aloha, Razanakolona Paul, ity farany izay mitarika ny lisitry ny “Malagasy Miara-Miainga” manohana ny kandidà filoham-pirenena Hajo Andrianainarivelo. Maro ireo kandidà hafa vonona hifaninana ka dia hafotaka ny fampielezan-kevitra rehefa amin’ny anjaran’ny solombavambahoaka.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.