Mitombo hatrany ny isan’ireo kandidà ho solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antsirabe Voalohany.
Tafakatra ho 13 izy ireo no hiady ny toerana iray ho amin’izany ka ny depiote teo aloha Ratoabolamanana Merci na Ramerci no tonga nanatitra ny taratasy firotsahany ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo. Nambarany fa mbola mahatsapa ho manana adidy amin’ny tanànan’Antsirabe ny tenany. Ampy izay ny fifankahalana sy fialonana, hoy izy, fa aleo ny vahoaka amin’izay no jerena. Ny fikambanana JEM na ny “Jeune Espoir de Madagascar” no nanolotra an-dRamerci ho kandida solombavambahoaka raha tamin’ny anaran’ny antoko Arema no efa nahavoafidy azy ho depioten’Antsirabe I tamin’ny Repoblika faharoa.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.