Fifidianana solombavambahoaka

> Hanana kandida ny AMF


  • Alarobia 11 Septambra 2013

Araka ny fanapahan-kevitry ny birao politika, hoy ny Rév. Satrobory, dia handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ao anaty fiombonan-kevitra amin’ny ankolafy Ravalomanana ny antoko AMF/3FM tarihako.

Efa manana kandidà vonona izahay any Toliara, Fianarantsoa, Ambositra, Mahajanga, Toamasina ary ny Boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra, hoy ity mpitari-tolona ity. Hifantoka amin’izay fifidianana solombavambahoaka izay ny AMF/3FM, hoy izy. Ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy kosa, hoy ny Rév. Satrobory dia tsy tokony hatao amboletra fa ny Frantsay no hahazo tombony amin’ny fisian’ny korontana eto Madagasikara. Ny fikaonandoha natrehanay tany Afrika Atsimo farany teo, Rév. Satrobory, dia nahatsapana ny fahendren’ny filoha Marc Ravalomanana izay nanipika indrindra ny tokony handrindrana fihavanana ao anaty ankolafy ary namela ny zavatra natao tamin’izy mianakavy. Taratry ny fanatanterahana ny fampihaonana azy mianaka fototry ny disadisa teto amintsika araka ny taratasy nalefan’ny AMF/3FM tany amin’izy ireo izany. Mila filoha hendry, matahotra an’Andriamanitra ary manaja ny zo aman-kasin’ny vahoaka madinika ny Malagasy, hoy ny Rév. Satrobory.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT