Politique

Fifidianana Solombavambahoaka 2019 Mitaky fifidianana madio sy mangarahara ireo kandida


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Indray andro taorian’ny nivoahan’ny lisitra ofisialy an’ireo kandida nekena fa nahafeno fepetra firotsahan-kofidiana ho

solombavambahoakan’i Madagasikara taona 2019 avy amin’ny Ceni “Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana” eto amintsika dia maro ireo kandida no naneho ny faniriana mba hisian’ny fifidianana madio sy ara-dalàna ary mangarahara amin’izay amin’ity indray mitoraka ity ka manao antso avo amin’ny filoham-pirenena ankehitriny mba hampita an’izany amin’ny rehetra izy ireo. Somary mampanahy kely anefa ny fisian’ireo mpivady maromaro iray lisitra amin’ireo kandida nekena hifaninana ary loha lisitra sy lisitra faharoa mihitsy izy ireo amin’izany. Efa midika ho fikononkononana zavatra hafahafa izany aminay, hoy ireto kandida ireto, ka sahy miandrandra ny toerana roa avy hatrany amin’ny fari-piadidiana hirotsahany avy izy ireo. Fa dia tena lany olomanga ve ny antoko nanolotra an’ireo olona ireo sa dia tsinontsinona fotsiny izao ireo olona nitakosina teo akaikin’izy ireo ? Heno koa ny fisian’ny fikononkononana hala-bato goavana amin’ny alalan’ny fanontana kara-panondrom-pirenena hosoka hatrany amin’ny 10.000 isa any eto amin’ny distrika iray eto an-drenivohitra ka olona avy any amin’ny distrika iray eto amin’ny manodidina (Atsimondrano) no kasaina handrotsa-bato amin’ny alalan’ireo.  Manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra mahefa (Ceni, Bianco sns…)  izahay ny amin’izany resaka izany, hoy ireto kandida ireto,  ary mampirisika koa an’ireo kandida namanay sy ireo delege miaraka aminy ary ny tompon’andraikitry ny fokontany isan’isany sy ny mpifidy rehetra tsy hanaiky lembenana .

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT