Politique

Fifidianana solombavam-bahoaka Ho henjana ny fifaninanana ao Atsimondrano


  • Alatsinainy 13 Mey 2013

Ho henjana ny fifidianana solombavam-bahoaka ao Antananarivo Atsimondrano izay Distrika be olona indrindra manerana ny Nosy amin’ity indray mitoraka ity.

 Kandida 3 no heverina fa tena hifampitana dia ny kandida atolotry ny zanak’i Dada izay mety ho ny loholona teo aloha ary mpikambana ankehitriny ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Ramamonjisoa Benjamin, ny Ben’ny tananan’Ankaraobato telo aloha sady filohan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara ary koa mbola mpikambana kongresy amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana, Ralaiseheno Guy Maxime ary tsy azo hamaivanina koa ny kandida fahatelo dia ny mpandraharaha tanora tompon’ny orinasa Elite, Randriarimalala Jaona. Ny sabotsy teo no nanambara ny firotsahany ity farany. Marihina fa mbola tsy nisy ny filazana ny kandida hitondra ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana ao Atsimondrano fa loharanom-baovao avy ao anatiny no naharenesana ireo. Raha tsiahivina ny tantara dia noho ny fanilihana an’i Ralaiseheno Guy Maxime tsy ho kandidan’ny Tiako I Madagasikara tao Ankaraobato tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna taona 2007 no nahavaky ny ady teo aminy sy ity antoko ity.

Ny loholona Ramamonjisoa Benjamin moa no niandraikitra ny fisafidianana ireo kandidan’Atsimondrano tamin’izany ary nanomboka tamin’izay no narisarisa ny fifandraisana teo amin’izy mianaka ireo. Mila mitandrina ny ankolafy Ravalomanana noho izany mba tsy hiseho indray ny fahadisoana teo aloha. Momba an’i Randriarimalala Jaona indray dia fetsy ny tovolahy izay mirotsaka amin’ny anaran’ny fikambanana Fanasina ho fampandrosana an’Atsimondrano. Mahasarika ny mpifidy hatrany mantsy ny olom-baovao sady tsy anatin’ny antoko izay heverina fa fototr’izao krizy izao. Afaka nirotsaka tamin’ny anaran’ny TGV anefa ny tenany izay nanana fifandraisana tamin’i Andry Rajoelina tamin’ireny 2009 ireny. Tsy nanao izany izy satria tsy te hiara-maty amin’ny Filistina. Mety ho tombony ho azy koa ny fanohanan’ny fahitalavitra iray sy radio tsy miankina roa eto an-drenivohitra azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT