Teboka iray noresahan’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety herinandro lasa izay ny mikasika ny sata mifehy ny fokontany.
Tsy ao anatin’ny rafitra fitsinjaram-paritra moa izy io, araka ny lalàna velona misy eto Madagasikara. Tsy mitombina akory ny adihevitra ary tsy ilaina ny resabe momba izany raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena mikirakira ny fifidianana Thierry Rakotonarivo. Mazava tsara mantsy ny voalazan’ny lalàna, araka ny nambarany. Miantso fivoriambe ho an’ireo olom-pirenena rehetra feno 18 taona ny lehiben’ny distrika. Mifidy izay ho sefom-pokontany izy ireo ka izay mahazo vato betsaka no mpandresy. Manaraka azy avy hatrany ny fifidianana ny lefitra. Alefa any amin’ny lehiben’ny distrika ny fitanana an-tsoratra momba ireo izay mandinika sy manendry ireo tompon’andraikitra roa ireo, araka ny fanazavan’ny filoha mpanampy ao amin’ny Ceni. Tsy voahaja hatreto io lalàna velona io satria 3 volana aorian’ny fandraisan’ireo ben’ny tanàna ny asany no tokony hanatontosana azy. Ny taona 2015 no efa nandray ny andraikiny ireo ben’ny tanàna manerana ny Nosy, septambra 2017 izao tsy mbola vita ny fifidianana sefo fokontany manerana ny nosy fa resaka fanitsiana ny lalàmpanorenana indray no aroson’ny fitondram-panjakana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.