Politique

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »


  • Zoma 20 Septambra 2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

 

 

Hatramin’izay anefa dia fifidianana tsy mandany vola io ary fototra iaingan’ny taratasy ilain’ny fanjakana rehetra. Aminay, hoy izy, dia tokony hatao io raha tena manana ny fahavononany ny fitondrana ankehitriny. Nandeha ny fifidianana solombavambahoaka dia hita io kajikajy amin’ny fanovana sefo fokontany io, raha ny fanazavany. Dia izany foana ve no stratejia ? Aminay dia asan-devoly sy satanika izany, hoy izy. Voazimbazimba amin’izany ny zo fototra maha olona. Raha tena vonona sy sahy amin’ny maha lanim-bahoaka azy ny fitondrana, hoy izy, dia io fifidianana tsy mila CENI sy HCC io no atao voalohany fa amin’ny faran’ny oktobra dia efa hipetraka ireo prezidam-pokontany ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT