Politique

Fifidianana savaranonando tany Frantsa Nangoron-damba sahady i Sarkozy


  • Talata 22 Novambra 2016

Betsaka amin’ny Malagasy, indrindra ny mpanao politika no manaraka ny raharaha politika any Frantsa noho ny fifamatorana ara-politika eo amin’ny tany roa tonta.

 Nihintsana tamin'ny fifidianana savaranonando hisafidianana izay ho kandidan'ny Hery Ankavanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2017 i Nicolas Sarkozy ka nilaza ny hisintaka amin’ny tontolo politika. Tsy nahovoka an’i  François Fillon, praiminisitra tamin’ny androny izay nahazo salan’isa 44,1 % tamin’ny mpifidy manodidina ny 4 tapitrisa ny tenany. Faharoa kosa i Alain Juppé izay efa praiminisitra tamin’ny andron’i Jacques Chirac nahazo 28,6 % ary fahatelo i Nicolas Sarkozy nahazo 20,6 %. I François Fillon sy Alain Juppé izany no hiatrika ny fihodinana faharoa, ka ny iray amin’izy ireo no ho kandidan’ny hery ankavanana mandritra ny fifidianana filoham-pirenena Frantsay. Manana tombony i François Fillon, izay efa nitana ny laharana voalohany ary mbola tombony ho azy ny fanambarana nataon’i Nicolas Sarkozy azy. Raha tsy misy ny fiovana dia i François Fillon no hifampitady amin’i François Hollande izay filoha am-perinasa avy amin’ny hery ankavia izay mety mbola hirotsaka. Efa malaza ihany koa ny anaran’i Marine Le Peine avy amin’ny antoko FN na antoko farany ankavanana, izay voalaza fa tsara fifandraisana amin’i Donald Trump, filoha vaovaon’i Etazonia.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT