Raha ny fahitana ny fizotry ny toe-draharaha, hatreto aloha dia tsy misy mieritreritra ny hitsoaka an-daharana izany ireo kandida lehibe telo, niangavian’ny Troika-SADC mba hiala dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka.
Efa samy mihetsiketsika sy manetsika ny ekipany tsirairay avy izy ireo, raha araka ny fantatra ary efa mifantoka tanteraka amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra. Re izao fa hamoaka gazety vaovao, atsy ho atsy i Andry Rajoelina, kendrena hivoaka mialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra io gazety io, raha ny tsiliantsofina re. Fantatra fa efa miketrika fatratra ny fomba atao hametrahana olona azo itokisany amin’ny fitantanana ny tetezamita, na ny fiaraha-mitantana ny tetezamita i Andry Rajoelina. Sarotra aminy mantsy ny hahatoky ny priaminisitra Omer Beriziky sy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ka tsy maintsy hametraka ny olony izy na ahoana na ahoana mety ho endriky ny fitantanana ny tetezamita eo rehefa tena mametra-pialana tokoa ireo kandida manana andraikim-panjakana ambony.
Misy ny anarana efa mivoaka ka voatonotonona ao indray i Norbert Lala Ratsirahonana, mpanolotsiana manokan’ny filohan’ny tetezamita no sady mpikambana CST. Ny ankolafy Ratsiraka ihany koa dia efa mialoha ny nahatongavan’i Deba farany teo no nanetsika ny kamarady rehetra manerana ny Nosy, satria efa nivonona ny hiatrika ny fifidianana na dia tsy mbola fantatra mazava aza ny kandida ; dia iny nilatsaka iny moa ny Amiraly dia efa mazava ny resaka. Ao anatin’izay rehetra izay dia miavaka ny kandida Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, heverin’ny maro na eto an-toerana na any ivelany fa tena «favori» amin’ity fifidianana ity. Miavaka tsy mba tia manao kabary politika mampanantena sahady an’izatsy na izaroa ity kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ity fa kosa miandry am-pitoniana ny fotoana. Na dia misy aza ny fihaonany amin’ireo mpanohana azy dia tsy tena mbola be resaka firy i Neny.
Efa maha velombolo sahady ireo mpanohana azy ny naha laharana faha-2 azy ao amin’ny bileta tokana, ary nampanantena izy ireo fa hafana ny fampielezan-kevitra fa dia hampiseho ny heriny indray ny ankolafy Ravalomanana manerana an’i Madagasikara. Isan-karazany ny tombatomban’ny mpanara-baovao politika, ka anisan’izany ho hoe : izao izany vao tena hiatrika ny fitsaran’ny vahoaka ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana ka ho hita eo izay hahazo ny fitokisan’ny vahoaka. Io antony io no mahatonga ny fitsikerana mavaivay azon’ny SADC noho ny fangatahany ny hisintahan’ireo kandida telo, izay midika avy hatrany fa misy Malagasy an-tapitrisany ho verezin-jo tsotra izao ka tsy afaka hifidy izay kandida hitany fa mety aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.