Tontosa omaly teny amin’ny foiben’ny CENI-T eny Alarobia ny fivoriana faharoa natrehan’ny komity manokana manara-maso ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana na ny “comité de pilotage” izay tantanan’ny filohan’ny CENI-T miaraka amin’ny solontena maharitry ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana eto amintsika.
Maro ireo masoivohom-pirenena sy diplaomaty niatrika ny fivoriana. Na ry zareo Amerikanina aza nandefa solontena. Nandefa ny mpanolotsainy manokana, Ratsirahonana Norbert Lala, ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ity farany izay nanangam-bovona tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) nandritra ny fandaharana manokana ny alin’ny zoma 08 ferboary, naneho ny tsy fankasitrahany ny nanemorana ny datim-pifidianana ary mamatotra ny CENI-T sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho tompon’andraikitra amin’izay ho fiantraikan’io fanapahan-kevitra io. Tsy arakarakara izay anefa ny teny Alarobia omaly fa dia nibaradaka Ratsirahonana fa rano raraka iny, fa dia eken’izy ireo izay tapaka, ary tsy izy ireo no hanao volo manoha randrana na ho sakana amin’ny fanatanterahana ny tetiandro sy ny zotram-pifidianana niarahan’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana nanapaka.
Nilaza ihany moa Ratsirahonana Norbert Lala fa tsy resy lahatra amin’ilay fanapahan-kevitra nanemorana ny fifidianana ry zareo Ambohitsorohitra, na izany aza dia tsy hanao resabe momba iny raharaha iny intsony fa handamina aza. Ny andrasana aminy izany izao dia ny famoahana ireo didim-panjakana samihafa mba hampanara-dalàna ny fiomanana sy fanatanterahana ny fifidianana fa eo indrindra koa ny handrotsahany ara-potoana ny anjara vola tokony haloan’ny fanjakana ao amin’ilay kitapom-bola hanatanterahana ny fifidianana na “basket fund”. Ny tsy nandrotsahany ara-potoana ny vola, na dia efa voasoratra ao anatin’ny tetibola 2012 ihany mantsy no anisan’ny nahatara ny asan’ny CENI-T ka nitarika ho amin’iny fanemorana fifidianana iny. Ireo mpiara-miombon’antoka mantsy dia mbola nanamafy ny fanohanany ny CENI-T hahatanterahan’io fifidianana io, anisan’izany ny Japoney, ny Sinoa, ny SADC, COI hatramin’ny Koreana Tatsimo aza.
Omaly Rtoa Fatma Samoura, solontena maharitry ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, dia nanamafy fa tohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tanteraka ny datim-pifidianana navoaka farany teo sy ny dingana rehetra fiomanana amin’izany. Mikasika ilay hoe taratasy azon’ny filohan’ny tetezamita avy any amin’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana kosa dia nilaza i Fatma Samoura fa tsy andraikiny ny maneho hevitra ny amin’izany, nomarihany kosa anefa fa mamela ny CENI-T hiasa malalaka sy hanatanteraka izay zavatra rehetra tokony hataony, ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Ao anatin’izany dia hihaona amin’ny minisitry ny atitany ny komity anio mba hamantarana ny fanatanterahana ilay “Opération kara-panondro”. Efa misy ve ny paikady hoenti-miasa amin’izany ary ahoana ny vola sy ny fitaovana hampiasaina ? Fampisavorovoroana saim-bahoaka fotsiny, araka izany, ny resabe natao tao amin’ny TVM farany teo. Re aza izao fa tsy faly tamin’ny fanakianana miendrika fanalam-baraka natao azy tamin’iny fandaharana iny Rtoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENI-T. Talohan’io anefa dia efa naneho ny hatezerany koa ireo mpikambana CENI-T tamin’ny fanendrikendrehana azy ireo ho mpivarotra tanindrazana raha nandray iny fanapahan-kevitra nampihemotra ny datim-pifidianana iny.
RTT sy Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.