Voalohany, fanajana ny maha iray tsy mivaky ny malagasy sy ny fihavanana; Faharoa,
ny tsy fiandanian’ny fanjakana, ny tsy fitanilan’ireo sampandraharaham-panjakana ary ny tsy fahazoana mampiasa ireo fitaovam-panjakana. Fahatelo, ny tsy fitanilan’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny haino aman-jery. Fahefatra, ny tsy fiandanian’ny toeram-pivavahana. Fahadimy, ny fitoviana sy ny fitovian’erijikan’ny kandida sy ny lisitra rehetra. Fahenina, ny fangaraharan’ny fampiasam-bola mandritry ny fampielezan’kevitra. Fahafito, ny fanajana ny maha olona, ny hajan’ny kandida. Fahavalo, ny fanajana ny fiainana manokana sy ireo mombamomba ny kandida. Fahasivy, tsy fiantsiana ho amin’ny fankahalana sy ny fanavakavahana. Fahafolo, ny fanajana ny fandriampahalemana. Izany dia nifampizarana sy nodinihina nandritra ny sehatra ifampidinihana nanasan'ny CENI ireo mpisehatra rehetra amin'ny fifidianana (antoko politika, fiarahamonim-pirenena, rafi-panjakana, mpampahalala vaovao), niresahana momba ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanana. Lohahevitra telo no nifampizarana tamin`izany. Niompana tamin’ny fizaram-baovao momba ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana, ny fampielezan-kevitra ary ny fikirakirana ny voka-pifidianana ity sehatra ifampidinihina ity ary narahina fanontaniana arahim-baliny sy fandraisan'ny CENI ny fanamarihana avy amin'ireo mpisehatra nandray anjara. Nisy ihany koa ny famelabelarana ny "Teny ierana hanompo vahoaka" (charte de bonne conduite das candidats aux élections communales et municipales), izay niarahan'ny komity iombonana namolavola toy ny tamin'ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana Ben'ny tanàna, ivondronan'ny CENI, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, SAFIDY, Transparecy International Initiative Madagascar, ny Chaîne d'honnêteté.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.