Lasa hazakazaka arahin-tosika ny zava-drehetra ankehitriny satria manakaiky ny datin’ny 8 aprily hanombohan’ny fandraisana ireo antontan-taratasin’izay ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Mitombo isa ny kandida, mihetsikesika ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, izay tsy maintsy hanana ny filoha mitarika azy tsy ho ela. Nifoha tamin’ny torimasony koa ny CES. Nifarana omaly alarobia tokoa mantsy ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ho filohan’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM). Fantatra izao fa 35 ny antontan-taratasy voaray. Anio no hosokafana izy ireo ka hanomboka amin’izay ny fandinihana ifotony dia ho hita eo izay ho lany filoha. Momba ny resaka famotsoran-keloka kosa dia miisa 7 ny fangatahana voarain’ny FFM hatry ny omaly.
Araka ny fanazavana voaray dia hezahana havoaka mialoha ny datin’ny 8 aprily ny anaran’ireo nahazo ny famotsoran-keloka. Tsy nametraka fangatahana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay efa nanambara ombieniombieny fa tsy mila famotsoran-keloka ny tenany satria tsy mitombina ny fiampangana azy. Mifandraika amin’izay dia anio koa no hanao fianianana etsy amin’ny lapam-pitsarana Anosy ireo mpitsara mpikambana ao amin’ny CES na ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Mpitsara valo nofidian’ny fianakaviamben’ny mpitsara tamin’ny oktobra 2012 ho ao anatin’ny CES ary Atoa Jean Michel Rajaonarivony filohan’ny HCC no filoha mitantana azy. Handinika ny dosien’ireo kandida, hamoaka ny anaran’ireo izay mahafeno ny fepetra ka afaka mirotsaka hofidiana ny CES, ary hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.