Politique

Fifidianana miaraka Tsy tokony ho olana amin’ny Malagasy


  • Alatsinainy 18 Febroary 2013

Mbola miteraka adihevitra ihany hatramin’izao ny resaka fampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka eto amintsika.

 Araka ny zotram-pifidianana napetraky ny CENIT sy ny Firenena Mikambana ary efa neken’ny ankamaroan’ireo vondrona politika tokoa mantsy dia hotanterahana miaraka amin’ny 25 septambra 2013 ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavambahoaka. Bileta tokana no hampiasaina amin’io fa tsy ilay vatom-pifidianana nahazatra hatramin’izay. Ireo teknisianina sy manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana dia resy lahatra fa tsy tokony hisy olana be izany amin’ny fanatanterahana fifidianana miaraka sy ny fampiasana ny bileta tokana izay efa natao tany amina tany Afrikanina maro, azo heverina fa mitovitovy amin’i Madagasikara.

Ohatra iray azo raisina ny nitranga tany Haïti, ilay firenena kely nandalo krizy henjana noho ny adilahy politika, nisiana fitokonana faobe sy fandrodanana ny mpitondra, izay nanao sesitany ny tenany tatsy afrika atsimo, avy eo mbola nopotehan’ny horohorontany koa, kanefa dia nahavita fifidianana ihany, fifidianana nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary natao teo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana. Ny 28 novambra 2010 no notanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka niaraka tany amin’ity firenena ity. Tokony ho natao ny 16 janoary 2011 ny fihodinana faharoa teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nisy anefa ny fifandirana teo amin’ny voka-pifidianana. Natao ny fifandaminana, nisy ny fanadihadiana manokana natao. Raikitra ihany ny fihodinana faharoa ny 20 martsa 2011 ary navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ny 4 aprily, koa dia voafidy ho filoha ilay mpihira malaza Michel Martelly. Tsara homarihana fa 19 no isan’ny kandida tamin’ity fifidianana filoham-pirenena tany Haïti ity. Tsy dia tena hoe nisy adim-poko goavana teto Madagasikara, tsy nisy loza voajanahary namoizana ain’olona ana hetsiny, ary hatreto aloha dia tsy mbola nidiran’ny tafika iraisam-pirenena.

Tsy ny vahoaka malagasy tsy akory no dondrona indrindra eto ambonin’ny tany ka tsy hahay hampiasa ny bileta tokana sy tsy hahazaka fifidianana roa miaraka, hoy ny manampahaizana iray avy ao amin’ny Firenena Mikambana. Fa raha ny tena marina dia ny mpanao politika no manatsatso na manatavy resaka ka mampikorontan-tsaina ny olona. Na izany aza anefa dia tokony hanomboka amin’izay ny fanentanana sy fampianarana ny mpifidy momba ny bileta tokana sy ny endriky ny fifidianana, mba hisorohana ny olana mety hitranga. Fa ny tena goavana dia tokony hisy ny fifanarahana matotra eo amin’ny mpanao politika mba hanaiky izay vokatra mivoaka eo, mazava ho azy fa mila mangarahara ny zava-drehetra ataon’ny CENI-T ary tsy maintsy manao ny asany an-tsakany sy an-davany fa tsy mitanila na miandany amin’izatsy na izaroa ny ny CES na ilay fitsarana manokana hisahana ny fifidianana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT