Politique

Fifidianana mangarahara Manome toky ny CENI


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Nampahafantarina ampahibemaso omaly ny tomban’ezak’ireo asan’ny CENI nandritra izay fe-potoam-piasana nodiaviny izay.

 

 Anehoana an’izany ny tompon’andraiki-panjakana, mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny mpanao gazety, izay mampita vaovao amin’ny olom-pirenena. Ny fiantohana ny mangarahara no antom-pisian’izao fampahafantarana ampahibemaso izao.  Nambaran’ny filohan’ny CENI, Me Hery Rakotomanana fa ny mangarahara ao anatin’ny zotram-pifidianana dia miantoka ny filaminana amin’ny asa rehetra tanterahina amin’ny hoavy. Nohamafisina ny traikefa tamin’ny alalan’ny fanofanana isan-karazany, toy ny nisian’ny BRIDGE (Building Ressources in Democracy, Governance an Elections) in-droa miantaona, nandraisan’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra sy teknisianina ao anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaika maromaro anjara ny taona 2016, nentina nanamafisana ny traikefan’ireo mpikirakira sy mpanofana momba ny fifidianana. Tanjon’ny CENI ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana, ka nisy ireo atrikasa nifanesy namolavolana ireo antontan-kevitra mifandraika amin’izany. Efa vita tanteraka ny asa izay niarahan’ny CENI tamin’ilay vaomiera fakan-kevitra sy mpandinika ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana. Taorian’izay, natolotra ara-pomba ofisialy ny praiministra, lehiben’ny governemanta io antontan-kevitra io.  Mikasika ny lisi-pifidianana kosa dia tsara ny vokatra tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE) 2016-2017. Niakatra hatramin’ny 6,33% ny tahan’ireo nisoratra anarana manerana ny nosy, raha 2% teo aloha. Mbola mijanona ho tanjona ny hanatratra ny isan’ny mpifidy misoratra anarana ho 10 tapitrisa hatramin’ny taona 2018 raha toa ka manodidina ny 9 tapitrisa mahery amin’izao fotoana. Mifanindran-dalana amin’io fanatsarana ny lisitra io, nanatanteraka fiofanana ho an’ireo teknisianina ara-kajimirindra ny CENI ny taona 2016. Nisongadina tamin’izany ny fikirakirana ny logiciel ORACLE, fitaovana iray hitantanana an’ireo antontan-kevitra momba ny fifidianana, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tokana ny zava-kendren’ny CENI dia izay voafehin’ny vina napetrany : « Fitantanana fifidianana azo antoka sy demokratika.

 


 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT