Anisan’ny hifandirana ka tsy mahantanteraka ny sori-dalana hatramin’izao ny momba ny andininy faha-16, 18, 20 izay mamaritra ny tokony hametrahana fitoniana politika eto Madagasikara mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana.
Ao anatin’izany ny tokony hamoahana ireo gadra politika rehetra na miaramila na sivily, ny famahana ireo haino aman-jery nakatona noho ny resaka politika sy ny fahalalahana maneho hevitra, ny fodian’ireo sesitany politika rehetra tsy ankanavaka, anisan’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny zava-misy anefa dia miroso amin’ny fanomanana fifidianana sahady ny eo anivon’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana na ny CENIT miaraka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy anefa, dia mazava fa tsy hisy fifidianana raha tsy mbola mihatra sy ampiharina tanteraka ireo zavatra rehetra voalazan’ny sori-dalana. «Aza manantena hoe hisy fifidianana eto rehefa tsy hampiharina ny sori-dalana. Manafoana ny sori-dalana ny tsy fampiharana ny andininy faha-20», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy, Randriamamiarizafy Ignace.
“Rehefa tsy hisy fifidianana dia miongana i Andry Rajoelina”, hoy ihany izy. «Raha vao tsy mirotsaka Ravalomanana dia tsy hisy fifidianana izany eto ka asakasak’izay hisakana», hoy hatrany ity zanak’i Mangoro ity. Momba izay fifidianana izay ihany moa dia nanentana ireo mpiara-dia aminy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri, hanara-maso akaiky hisorohana ny hala-bato dieny izao. Rehefa arahintsika akaiky io, manomboka any amin’ny fanisana ny mponina, ny any amin’ny birao fandatsaham-bato sy ireo dingana rehetra holalovana dia tsy ho sahy ireo mpangalatra, hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.