Nametraka fitoriana teny amin’ny CENI sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly ny Tiako I Madagasikara
. Ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna rehetra niseho tamina Kaominina na Biraom-pifidianana niisa 86 tao anatin’ny fari-pifidian’i Fianarantsoa no nanaovan’izy ireo fitoriana. Ampahany tamin’izany ny tsy fisian’ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana, ny tsy fahampian’ny mpanisa vato tamin’ny toerana sasany na voatondron’ny lalàna aza fa tsy maintsy efatra. Eo koa tsy fitovian’ny isan’ny sonian’ny mpifidy ao amin’ny lisi-pifidianana sy ny voka-pifidianana. Ny sasany indray tsy misy faritra anaovan’ny mpifidy sonia, marika fa nandatsa-bato izy, ny lisi-pifidianana. Ny fitanana an-tsoratra sasany tsy ahitana isan’ny vato manan-kery. Misy Kaominina izay naverina ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina tao aminy, nefa nisy mpifidy vaventy nandatsa-bato. Tamin’ny toerana sasany aza, nihidy alohan’ny fotoana voatondron’ny lalàna ny birao fandatsaham-bato sasany, nefa nisy mpifidy vaventy mbola tonga handatsa-bato. Vato manodidina ny 506 no voakasik’ity fitoriana napetraky ny Tiako I Madagasikara momba ny fifidianana Loholona tany Fianarantsoa ity, izay mety hanova ny voka-pifidianana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.