Politique

Fifidianana loholona tany mahajanga Manaiky ny vokatra ny kandida Mohamad Chei


  • Zoma 08 Janoary 2016

Manaiky ny voka-pifidianana loholona farany teo tany amin’ny Faritanin’i Mahajanga ny kandida Mohamad Chei, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Sebass natolotry ny fikambanana Manaranara Fanilo izay misy azy.

 

Antony nanosika azy hilatsaka ny fananany mpifidy vaventy miisa 56 mpikambana ao aminy izay tokony ho nandatsa-bato ho azy avokoa. Nifanohitra tamin’izay anefa ny zava-nitranga rehefa tonga ny fotoam-pifidianana, hoy hatrany izy, satria efatra monja ny vato azony tamin’ny alalan’io fikambanana misy azy io. Manaiky am-pitiavana ny voka-pifidianana ny tenany na dia   anisan’ireo lohalisitra tao amin’ny fikambanana nisy azy aza ary mirary ny soa be dia be ho an’ireo kandida namany hafa lany hahafahana mampandroso ny firenena. Nomarihiny manokana moa fa tsy nisy teritery ny fifidianana loholona tany Mahajanga noho izany mitsipaka marindrano ny fitaomana azy hanao fitoriana mikasika iny fifidianana iny ny tenany. Miaiky ny tenako, hoy izy fa tsy ilaina intsony ny endrika fanakorontanana eto amin’ny firenena,  indrindra ny hitsanganan'ny andrim-panjakana izay maneho ny fahafenoan'ny Repoblika na dia mbola vokatra vonjimaika ihany aza no nivoaka.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT