Politique

Fifidianana loholona Hivoaka anio ny vokatra ofisialy


  • Zoma 22 Janoary 2016

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy anio eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Ambohidahy ny vokatry ny fifidianana loholona notanterahina ny 29 desambra lasa teo

 

. Inoana fa tsy hisy ny fiovana be fa dia fandresena miezinezina ny an’ny antokon’ny fitondrana HVM. Raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI ny 9 janoary lasa teo dia nahazo ny laharana voalohany ny HVM nahazo ny 65%-n’ny vato manankery, faharoa ny TIM (10%) ary fahatelo ny Mapar (6%). Nitsipaka avy hatrany ity vokatra ity moa ireo vondrona politika tsy miaraka amin’ny fitondrana ary niaraka nanambara ny fisian’ny hosoka sy halabato ny TIM, Mapar, MMM sady nandrafitra taratasy fitoriana. Maro ihany koa ireo kandida nanao izany tamin’ny distrika maro .63 ny loholon’i Madagasikara araka ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha IV, ka ny 42 nofidian’ireo mpifidy lehibe tamin’ny 29 desambra ary ny 21 kosa hotendren’ny filoham-pirenena. Ho tapaka moa ny lalana mampitohy an’Ambohitsorohitra, manodidina ny minisiteran’ny varotra ary manodidina ny faritany Ambohidahy anio maraina mandritra ity lanonana ao amin’ny HCC ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT