Politique

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna


  • Zoma 13 Septambra 2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

 

15 andro izany hoe ny 29 aogositra ka hatramin’ny omaly 12 septambra 2019 no fe-potoana nofaritan’ny lalàna hahafahan’ireo kandida manatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana saingy izao misy kaominina tsy mbola nahitana kandida ben’ny tanàna izao. Nandefa taratasy any amin’ny governemanta ho fangatahana ny fanitarana ny fe-potoana hahafahana manatitra antontan-taratasy ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidiana koa dia andrasana ny heviny. Ho an’ireo renivohi-paritany 6 kosa dia tahaka izao manaraka izao ny zava-misy: Antananarivo Renivohitra ahitana kandida 6, Toamasina misy kandida 5, Antsiranana kandida 4, Toliara kandida 7, Fianarantsoa  kandida 4 ary Mahajanga  kandida 4. Ny antoko IRD sy TIM no manana kandida maro indrindra avy eo ny tsy miankina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT