Taorian’ny famoahan’ny CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, ny anaran’ireo kandida ofisialy afaka hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay izao dia maro ireo mponina any Alaotra no manao kajikajy izay tena hisongadina.
Anarana telo no tena betsaka misafidy dia ny kandida Lalao Ravalomanana, Hajo Andrianainarivelo ary Albert Camille Vital. Raha ny resaka mandeha any an-toerana dia hita fa mbola manana ny lanjany ny kandida natolotry ny movansy Ravalomanana. Tsy nahataitra ny olona izay filatsahan’ny filoha ny tetezamita fa ny nahamaika azy ireo dia ny handre hoe anisan’ny kandida sa tsia Ramatoa Lalao Ravalomanana ? Any amin’ny laharana fahenina any no misy ny kandida Andry Nirina Rajoelina, raha ny vinavina apetraky ny olona any Alaotra.
Mbola mety hahazo vato betsaka noho izy ny kandida Roland Ratsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo ary Patric Raharimanana. Anisan’ny tsy hametrahan’ny vahoaka any Alaotra fitokisana ny filohan’ny tetezamita noho ny tsy fahatanterahana ny fampanantenana nataony tamin’ny septambra 2009 dia ny fanaovana tara iray manontolo ny lalam-pirenena faha-44 sy ny fanamboarana kianja sentetika. Raha hirosoana ihany ny fifidianana dia malalaka ny lalana ho an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, hoy ny mponina any Alaotra satria efa mipatitaka izany ny vaton’ny ankolafy Rajoelina. Raha sanatria misy ny fihodinana faharoa dia iray amin’i Hajo Andrianainarivelo sy Camille Vital no hifanandrina amin’i Neny, hoy ny mponina. Kajikajy ety ivelany ihany anefa izay fa ny latsabato izay hotanterahana amin’ny 24 jolay no hanamarina na handiso ireo vinavina ireo.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.