Politique

Fifidianana, kandida Hentitra ny toromarik’i Dada


  • Alatsinainy 15 Aprily 2013

Mazava ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana omaly raha nitafa an-telefaonina tamin’ny ankolafy Ravalomanana teny Bel’air.

 “Tsy miova amin’ny foto-kevitro aho, tsy handray anjara amin’ny fifidianana isika raha tsy tonga any Madagasikara ny tenako”. Matoa aho, hoy izy, nanaiky nanao fanambarana tamin’ny gazety niaraka tamin’ny Sadc, fa tsy hirotsaka hofidiana  dia misy antony lehibe ao. Raha ho tonga aty Afrika Atsimo ianareo hifampidinika dia aza  manantena fa hisy fanapahan-kevitra goavana izany. Hentitra ny filoha teo aloha raha nilaza fa hoe : “tsy ho resinareo lahatra mihitsy aho, ka hoe izaho mijanona aty ihany ary hanendry kandida”. Niantso ireo mpitarika mba hahatoky azy sy hifampatoky tamin’ny teny nomena Atoa Ravalomanana. Nomarihany koa fa mianto-tena izay delegasiona ho any Afrika Atsimo. Momba ny diniky ny FFKM dia nambarany fa handray anjara amin’io ny Ankolafy Ravalomanana ary tafiditra ao anatin’ny vaomiera.

Matoky ny fahendrenareo mpitarika ny tenako, hoy izy. Mazava ny resaka eto fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana raha tsy tafody eto i Marc Ravalomanana, izay no toromarika hatrany am-boalohany. Ny antony, hoy Atoa Ravalomanana, dia nisy ny tondrozotra nefa tsy voahaja izany fa mizirizy amin’ny heviny i Andry Rajoelina. Aoka tsy hifanaratsy na hifanenjika isika. Hentitra izany toromarika avy amin’i Dada izany, ary raha ny fahafantarana azy dia tsy haharesy lahatra sy tsy hampiova hevitra azy ny delegasiona mafonja mety hihazo an’i Afrika Atsimo anio. Ny fanontaniana manitikitika ny maro izao dia ny hoe : moa va hanaiky izany ireo mpitarika sasany ao amin’ity ankolafy ity ? Tahaka an’i Mamy Rakotoarivelo sy Botozaza Pierrot, ohatra, izay hita fa samy mangetaheta te ho kandida filoham-pirenena.

Maro no mihevitra fa na tsy mbola niteny mivantana aza ny filoha teo aloha dia efa mazava ny safidiny fa tsy olona avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana no ho kandida, satria tsy maintsy hitarika fizarazarana io. Samy efa manana ny ekipany mantsy ny tsirairay avy, dia hanao tahaka ny TGV teny Andranomena avy eo. Koa raha izay no izy dia Rtoa Lalao Ravalomanana aloha hatreto no tsara toerana ho kandida hitondra ny fanevan’ity ankolafy ity sy hahay hanambatra ny hery rehetra. Vanim-potoana miavaka no misy ka mety handraisana fepetra manokana izy. Na dia tsy nahafeno ny fepetra aza izy dia mety hoekena ihany ny filatsahan-kofidiany, aorian’ny fifampidinihana avo lenta. Ho hita eo ny ho tohin’ity resaka ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT