Politique

Fifidianana ho solombavambahoaka 15 amin’ny 58 naka dosie no efa nametraka tao Tôlagnaro


  • Alakamisy 18 Jolay 2013

Na mbola manjavozavo aza ny hanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, indrindra ny eo amin’ny filatsahan-kofidiana ho depiote dia nihazakazaka ireo efa vonona tamin’izany.

Araka ny tatitra voaray dia 15 amin’ireo 58 naka dosie teny amin’ny CED Tôlagnaro, no efa nametraka ny taratasy momba ny firotsahan-kofidian’izy ireo hatramin’ny 15 jolay teo. Ny sasany nihemotra noho ny fahafantarana fa nohalavaina indray ny fotoana fametrahana. Ho an’i Tôlagnaro manokana dia avy amin’ny tsy miankina avokoa ny ampahany betsaka amin’ireo kandida depiote ary tanora ny ankamaroany. Etsy an-kilany anefa, hita ho tsy mbola rototra amin’izany ny mponina. Ny asa fanaony andavanandro no mahadodona azy.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT