Politique

Fifidianana ho filoham-pirenena Mbola maro ny dingana hatrehana


  • Zoma 16 Martsa 2018

Mitarazoka ny fivoahan`ny lalam-pifidianana izay efa ho valo volana no nanoloran`ny CENI azy ity teo anivon`ny filankevitry ny governemanta.

 Raha tsy tojo sampona dia ny talata ho avy izao izy ity no lany sy tapaka eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Mbola maro anefa ireo dingana tsy maintsy lalovana amin`ny fampiharana izany. Be dia be ny rafi-panjakana izay tokony hatsangana. Tsy maintsy handrafitra ireo didim-panjakana fampiharana na “decret d`application”, izany hoe manazava amin`ny ankapobeny ny lalàna. Misy ihany koa didim-panjakana sasany mila fampiharana. Tsara ny manamarika fa andininy iray dia misy didim-panjakana iray. Tsy tokony ho ampotomoty vao havoaka ireo didy ireo satria tsy ho fantatry ny olona izay voalaza ao. Tsy maintsy hadika amin`ny teny Malagasy ny lalàna mifehy ny fifidianana ary avy eo ampahafantarina amin`ny vahoaka Malagasy. Mila valo volana kosa ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana andrafetana ireo dikanteny ireo ary tsy tokony hiova intsony. Amin`ny faran`ny volana martsa ho avy izao no ho vita izy io hahafahana mizotra any amin`ny fifidianana izay heverina hoeken`ny rehetra. Marihina fa tsy maintsy hisy ny fifidianana amin`ity taona ity. Voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana ny hoe raha tapitra ny fe-potoanan`ny filoham-pirenena dia ny filohan`ny Antenimierandoholona no misolo azy. Koa raha tsy tanteraka ny fifidianana dia “hors-cadre constitutionnel” satria tsy misy lalàna mametraka fomba hitantanana ny firenena aorian’ny 25 janoary.

15 tapitrisa euros

10 tapitrisa no isan`ireo mpifidy vinavinain`ny CENI. Midika izany fa hanatonta biletà tokana miisa 15 tapitrisa, izany hoe atao mihoatra ny 5 tapitrisa hialana amin'ny tsy fahatomombanana sy ireo lesoka hatramin`izay. Marihina fa ny biletà tokana dia any Afrika Atsimo no hatonta ary ny saran`ny biletà iray dia 1 euro. Sarotiny ireo mpamatsy vola amin`ny fiarovana na kalitao na koa mety misy fitakiana manokana. Efa maloto ny anaran`i Madagasikara eo amin`ny iraisam-pirenena noho ny kolikoly ary tsy mahatoky ny fomba fiasa eto amintsika na dia manana tranompirinty aza isika eto Madagasikara. Tsiahivina fa mitana toerana stratejika eto amin'ny fanjakana ihany koa ny tranompirintim-pirenena. Ny mpiara-miombon`antoka mihitsy no mitaky ny fanamboarana bileta tokana any ivelany satria mety ho arofanina amin`ny kolikoly.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT