Fifidianana ho depiote

> Nisintona ny filatsahan-kofidiany i Atallah Arline


  • Zoma 16 Aogositra 2013


Amin’ireo 58 naka dosie tao amin’ny OVEC Tolagnaro dia 13 hatreto no nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina depiote. Marihina fa manana toerana roa ao Tsimbazaza ny Distrikan’i Tolagnaro. Anisan’ny efa nametraka ny dosie filatsahan-kofidiany Rtoa Atallah Arline, rahavavin’ny filohan’ny CENI-T amin’izao fotoana. Rtoa Atallah Arline moa dia Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Ankaramena ary efa mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, tamin’ny nitondran-dRaharinaivo Andrianatoandro ity andrim-panjakana ity. Tamin’ny anaran’ny fikambanana “Fiharoa Maheniky ny faritra Anôsy” no nirotsahany. Fantatra anefa izao tsy tapa-kevitra indray ny tenany ka nisintona ny filatsahan-kofidiany. Tsy fantatra izay antony.

 

 

Natiora OTH

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT