Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.
Antananarivo no ivon’ny politika eto, hoy izy. Ny dikan’izay dia matanjaka kokoa sy mafimafy io. mila rivo-baovao, hevitra tsara sy matotra hitondrana an’Antananarivo. Mila miasa mafy amin’ny fanentanana ny mpifidy satria hiaraha-nahita ny fihenan’izany nanomboka tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Mila hatsaraina ny fomba fiasa atao satria niaraha-nahita fa nisy foana ny fitarainana sy fimenomenomana teo amin’ny fikarakarana. Antso avo amin’ny CENI io, hoy izy, ary izahay dia hanara-maso ny fandehan’ny fifidianana. Mipetraka foana ho anay ny ahiahy ary efa mametraka ny paikady rehetra hiadiana amin’ny halabato ary antony hanentanana ny vahoaka. Mikasika ny tsy fahazoan’ny sarambabem-bahoaka ny tena asan’ny mpanolontsain’ny tanàna kosa dia nohazavainy fa araka ny lalàna 2014 – 020 dia isan’ny asan’ny mpanolontsaina ny manapaka ny tetibolan’ny kaominina sy ny hevi-dehibe rehetra entina hampandrosoana ny tanàna. Ohatra amin’izany ny resaka fivarotana tany, fananganana tsena, fananganana foto-drafitrasa. Toy izany koa ny findramam-bola entina miasa dia ny mpanolontsain’ny tanàna no manapaka azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.