Politique

Fifidianana Hataon’ny tanora TIM andrimaso


  • Alatsinainy 25 Martsa 2013


 Anisan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) nandray anjara tamin’ilay fiofanana nomena an’ireo mpanao politika sy delegem-pifidianana isan-tokony tetsy amin’ny Carlton Anosy ny 19 sy 20 martsa teo izay notarihan’ny EISA Madagascar sy Tchad, ny filohan’ny «Jeune TIM» Analamanga, ny CT Ravololofanja Aurélie ka nahatsapa ho manana andraikitra lehibe hampita ny zava-baovao betsaka norantoviny tao amin’ireo tanora TIM tarihany izay maro no nanaiky an-tsitrapo hiantsoroka ny asana delegem-pifidianana ho an’ity antoko ity. Feno dia feno, hoy izy, ny hevitra nampitaina ny vahaolana nomen’ireo mpampiofana teto amin’ny Carlton mikasika ny resa-pifidianana manomboka amin’ny fanentanana ny olom-pirenena feno taona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ka hatramin’ny fanaraha-maso ny vokatra mivoaka ka tsy maintsy hampahafantarina ny tanora namana avokoa izany rehetra izany. Izay rahateo no tena andraikitry ny mpanao politika, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, mba tsy haha tompontrano mihono ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT