Politique

Fifidianana filohan’ny SMM Hifampitana i Marius Auguste sy Imbiky Herilaza


  • Zoma 16 Martsa 2012

Hifantoka etsy Anosy indray ny sain’ny mpanara-baovao amin’ity zoma ity, satria araka ny fandaharam-potoana dia anio 16 martsa 2012 no hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoha hitarika ny SMM na Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara.

 Kandida roa no tena malaza sy hita matetika amin’ny haino aman-jery hatramin’izao, na dia mahatratra enina aza no nametraka taratasy filatsahan-kofidiana. Eo izany aloha i Arnaud Auguste Marius, filoha am-perinasan’ny SMM sy i Imbiky Herilaza. Samy mbola tanora erotrerony izy mirahalahy ireto, ary samy nanezaka tamin’ny fampielezan-kevitra manerana ny lapan’ny fitsarana teto Madagasikara. Hatramin’izay ka hatramin’izao moa dia lehibe sy makadiry izany toeran’ny filohan’ny SMM izany, satria mitondra teny sy misolotena ny mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara, izany hoe ny fahefana mpitsara, io filoha io. Niavaka ny toeran’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara nandritra izao fitondrana tetezamita izao, satria dia hita matetika tamin’ny filazam-baovao tamin’ny fanehoan-kevitra nataony.

Teo aloha ny fitakiana ny tombontsoan’ny mpitsara tamin’ny ankapobeny, io moa ilay resaka tambin-karama. Fa taorian’izay dia nijoro koa ny SMM notarihan’ny filohany nilaza ny tsy rariny sy nitaky ny hampiharana ny lalàna, taorian’ny namonoan’ny andiana polisy ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara. Nisy ny fivoriambe nokarakarain’ny mpitsara teto Madagasikara, nisy koa ny fanapahan-kevitra navoaka, ka nambara fa manomboka izao dia tsy hanaiky ny tsindry bokotra na toromarika avy any amin’ny mpitondra intsony, ny mpitsara amin’ny asa ataony, na fanadihadiana io na famoahana didy. Nilaza ny hamoaka ny anaran’ireo mpitondra fanjakana mbola manao teny midina na manao «intervention» ihany koa ny mpitsara, ary nanome toky fa tsy maintsy hosaziana ny mpitsara voaporofo fa nanao kolikoly na tsy nanao ny asany ara-dalàna. Hafampana ny fifidianana eny Anosy eny, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy, amin’ity anio ity, satria samy manana ny mpanohana azy, ireo kandida roa ambara fa «favoris».

Antenaina ihany koa fa ho modely amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara ny mpitsara, ary mba tena hilamina ny zava-drehetra fa tsy sanatria hisy tsy hanaiky voka-pifidianana ka hitokona, dia hitombo indray ny krizy, kanefa ny eo aza tsy voavaha akory. Tsara homarihana ihany anefa fa nisy ny karazana olana momba ity fifidianana ity. Nangataka ny hanemorana ny datin’ny anio ny kandida Imbiky Herilaza. Nanamafy kosa anefa ny filohan’ny SMM, sady kandida Arnaud Auguste Marius fa tsy azo ahemotra intsony ny datim-pifidianana. Dia ho hita eo na hisy akony amin’ny latsa-bato na tsia ity fifandirana amin’ny resaka daty ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT