Politique

Fifidianana Filohan’ny Repoblika fahefatra Niova hevitra ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Lany teo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita omaly talata 10 jolay 2012 maraina ny volavolan-dalàna fehizoro laharana faha 015/2012 tamin’ny 01 jona 2012 mikasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika fahefatra izay ahitana andininy miisa 39.

 Nisy ny fanovana nataon’ireo mpikambana nandritra ny asam-baomiera tao amin’ny andininy faha-5 andalana voalohany izay milaza fa ny mpilatsaka hofidiana ho Filohan’ny Repoblika dia tokony ho olona mipetraka amin’ny fari-panjakan’i Madagasikara, enim-bolana farafahakeliny alohan’ny daty farany fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina. Noho ny fiovana teo amin’ny fitantanana ny tetezamita sy ho fampiharana ny tondrozotra dia nodinihina indray mandeha teo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita io volavolan-dalàna fehizoro io. Niova hevitra anefa ny mpikambana tao, izay ireo mpomba an-dRajoelina avokoa no nivory sy nandany azy noho ny tsy fandraisan’anjaran’ny mpanohitra, ka nanisy fanovana ilay volavolan-dalàna fehizoro mikasika ny fifidianana filohan’ny Repoblika fahefatra izay efa lany teo aloha.

Araka ny voalaza ao amin’io fanovana izay natao io dia : tokony ho 60 andro mialoha ny andro fifidianana ny fametraham-pialan’ny Filoha am-perinasa, bileta tokana no ampiasaina, tokony hitovy zo ny kandidà rehetra amin’ny fampiasana ny haino aman-jerim-panjakana sy ny tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny fampielezan-kevitra, ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana no mamoaka ny valim-pifidianana farany ary manana fahefana handinika sy hitsara ny olana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nitarika ny fivoriana ny filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita, Jeneraly Rasolosoa Dolin ary notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitra.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT