Politique

Fifidianana Filohampirenena Misoko miadana ny « ni…ni »


  • Zoma 06 Janoary 2017

Manomboka manao serasera sy fanehoan-kevitra amin’ny endriny maro samihafa nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona ity ilay firehana efa nambara teto fa :

 

 « ni…ni » na ny hoe sady tsy Ravalomanana, tsy Rajoelina ary tsy Rajaonarimampianina.Dingana voalohany ataon’izy ireo amin’izany ny fanaratsiana ireo mety heverina fa kandida matanjaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo dia Atoa isany : Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, tafiditra ao anatin’ny voakiana mafy sy voasoketa koa ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina.Mety tsy tonga ao an-tsain’ny olom-pirenena tsotra tsy tena maharaka ny vaovao politika ny zavatra tahaka izao, kanefa tena zava-misy .Re tokoa mantsy fa efa manana ireo kandida ho tohanany ity fironana « ni…ni » ity ka misy amin’ireo kandida ireo no olona ao anaty governemanta, misy ny efa praiminisitra teo aloha, ao koa ny mpanao politika milaza fa mpanohitra eto ary misy koa ny olona tsy re sy tsy hita firy fa efa hipoitra kosa ato ho ato.Misy aza moa ny efa nanomboka nanao asa sosialy teny amin’ireo iva eto an-drenivohitra tamin’ny tapaky ny volana desambra 2016 iny.Tsotra ilay paikady haratsiana farak’izay azo atao amin’ny endriny rehetra mba ho lefy laza ireo kandida sokajiana fa lehibe mba hampiova ny fomba fijery ka hiantoraka amina olon-kafa mihitsy ny mpifidy rehefa tonga ny latsa-bato.Mahoraka be fa kandidan’ny fironana « ni..ni » ry Jean Omer Beriziky, Roland Ratsiraka, Hajo Andrianainarivelo ary Orlando Robimanana tale jeneralin’ny « Tresor » teo aloha.

Serasera matanjaka

Manana anjara toerana goavana ao anatin’io paikady io ny serasera ka ampiasain’ireo ankolafin’ny :  « ni..ni » ireo avokoa ny haino aman-jery (Radio sy TV) ny tambajotran-tserasera (facebook, twitter..), ny gazety an-tsoratra.Samy mihazakazaka amin’ny resaka fanaovana asa soa sy fikarakarana ny sahirana ary ny fanampiana ny tanora ihany koa izy ireo.Misy kandida filoham-pirenena iray olon’ny Repoblika faha 2 hipoitra tsimoramora eo ato ho ato ary mety hivoy io fironana « ni…ni » io raha ny siosion-dresaka.Tsara ho marihana fa politika tena avo lenta no resaka eto ka tsy atao mahagaga raha misy hery vahiny miditra ao anatin’ny raharaha ; mety maro ihany koa ny zavatra tsy ampoizina hitranga rehefa miha akaiky ny datim-pifidianana.Mety ho tratry ny hoditr’akondro lehibe ihany koa ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina raha toa ka tsy mailo satria efa ao an-dapa ny mpamadika !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT