Vaovao anisan’ny hisarika ny sain’ny maro ny vokatry ny antsapaka hotanterahin’ny CENI-T eny amin’ny foiben-toerany eny Alarobia, anio tolakandro, handaharana ireo kandida 41 nankatoavin’ny CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, hifaninana hofidina filoham-pirenena.
Dingana iray mantsy io mitory fa miroso tsimoramora mankany amin’ny datin’ny 24 jolay, hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara. Raharahan-tokantranon’ny CENI-T samirery izy ity, saingy nanapa-kevitra izy ireo taorian’ny fivoriambe nataony ny alatsinainy teo, fa hasaina handray anjara amin’ny antsapaka ireo kandida 41 na ny solontena nahazo fanomezan-dalana, mba hisian’ny mangarahara.
Raha ny fantatra dia hisy boaty kely mitovy isa amin’ny isan’ny kandida hafangaro ao anaty vata mangarahara iray. Ny boaty kely iray dia misy laharana eo anelanelan’ny 1 ka hatramin’ny 41 ao anatiny. Antsoina tsirairay, araka ny nandaharan’ny CES azy, avy eo ny kandida na ny solontenany hisafidy boaty kely iray ao anatin’ilay vata mangarahara rehefa avy nahontsana mba hifangaro tsara eo anatrehan’ny vaditany. Izay laharana voatsabo ao anatin’ilay boaty kely no ho laharan’ilay kandida ao anaty bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana sy amin’ireo tabilao fametahana afisy mandritra ny fampielezan-kevitra.
Hilavo lefona
Raha ny lalàna dia tsy azo ekena intsony ny mitsoaka an-daharana taorian’ny famoahan’ny CES ny lisitra ofisialin’ireo kandida nahafeno fepetra. Araka izany dia karazan’ny manery azy 41 tsy maintsy hifaninana ny CENI-T amin’ity antsapaka hotanterahina anio ity. Tsy ferana anefa ny hisian’ireo kandida hihemotra, na tsy tapa-kevitra indray noho ny antony samihafa. Manana kandida roa ohatra ny TGV, dia i Andry Rajoelina, filoha mpanorina ny antoko sy Razafindravahy Edgard, lanin’ny mpizaika maro an’isa nandritra ny kongresy teny Andranomena iray volana lasa izay ary mitana ny toeran’ny Sekretera jeneralin’ny TGV nanomboka teo. Re fa hivory maika handamina io raharaha io ity antoko ity anio.
Handefitra ka hiala an-daharana ve Razafindravahy Edgard ? Hanao fampielezan-kevitra amin’ny anaran’i Andry Rajoelina, izay tokony ho adverserany, ve izy aorian’izay, sa hipetraka ka hangina ? Banga ny lalàna mikasika an’io. Ny kandida Rajemison Rakotomaharo ihany koa dia nilaza fa hampangina ny firotsahany aloha fa hiandry ny fehin-kevitra mivoaka tamin’ny dinika notarihin’ny FFKM. Inona no fanapahan-keviny farany ? Anio eny Alarobia no hamantarana azy. Iza no kandida ho avy na handefa solontena, ary iza ireo hilavo lefona ka sady tsy hipoitra no tsy handefa solontena mihitsy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.