Politique

Fifidianana filoham-pirenena Nodinihina maika teny Iavoloha


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Notanterahana teny Iavoloha omaly alahady tolakandro ny filankevitry ny minisitra manokana, nanaovana ny vakiteny voalohany momba ny volavolan-dalàna fehizoro ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Io teboka tokana io no nodinihana omaly, tsy nisy lahadinika hafa.

 

 Ny alarobia moa no fotoanan’ny filankevitry ny minisitra isan-kerinandro, fa rehefa misy antony lehibe sy maika vao misy tahaka izao hoe atao andro alahady izao. Mazava ny resaka eto fa maika hanao fifidianana i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany ka taorian’ny nametrahana an’i Rivo Rakotovao ho filohan’ny antenimierandoholona, izay hisolo toerana ny filoham-pirenena rehefa mametra-pialana izy, dia io hanaovana hazakazaka arahin-tosika io ny fandrafetana ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana. Azo antoka fa ho tonga eny amin’ny parlemanta tsy ho ela izy io. Hodinihana ary dia ho lany vetivety eny. Tsikaritra amin’izao fa tsy hiandry ny volana oktobra na novambra 2018 araka ny tombantomban’ny maro ny fifidianana filoham-pirenena fa mety hotanterahana mialoha izay .Hihintsana ho azy ireo kandida tsy vonona raha izay no mitranga, ny filoha Rajaonarimampianina kosa io efa manomboka ny fitetezam-paritra sy fitokanana zava-bita io dia hahazo tombony. Ny olona handimby rehefa avy eo, izay tsy iza fa i Rivo Rakotovao filoha nasionalin’ny HVM sady tanan-kavanany dia tsy hitsivalana velively amin’ny fihetsiketsehana mety hataon’ny kandidam-panjakana. Mazava be ny kajy !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT