Samy hafa mihitsy ny fomba fanaovana politika amin’ny lehilahy sy ny andriambavilanitra. Raha variana amin’ny adilahy politika mifandramatra amin’ny CES, ny FFM ary Andry Rajoelina ny ankamaroan’ireo kandida filoham-pirenena dia misoko mangina kosa ny fitetezam-paritra ataon’ireo mpifaninana vehivavy.
Misongadina indrindra amin’ireny ramatoa Ravalomanana Lalao izay efa nahavita nitety an’Antananarivo sy Atsimondrano, Ankazobe, Maevatanana ary Mahajanga izany hoe : faritra telo ao anatin’ny iray volana. Mihetsiketsika koa ny filohan’ny antoko Maitso Rabeharisoa Saraha Georget izay vao any DIANA sy Sofia tamin’iny herinandro ambony iny. Voatsidiny avokoa i Nosy-Be, Ambanja ary Mandritsara. Fanolorana ny kandida solombavambahoaka no nivoitra tao an-drenivohitry ny fizahantany, fijerena ifotony ny olana ara-tany miaro fanaparam-pahefana ataon’ny mpitondra ao amin’ny «Reserves des indigènes» kosa no nanamarika ny tao amin’ny Kaomina ambanivolo Andoharano ao Ambanja. Nanome milina fanjairana ho an’ny Fikambanam-behivavy Maitso sy ho an’ny sembana, fitaovana ho an’ny tanora miampy solosaina sy “imprimante” ho an’ny oniversiten’i Mandritsara indray ny filohan’ny Hasin’i Madagasikara tao Mandritsara. Notsofin’ireo sojabe rano amin’ny fikasany hitantanana ny firenena ny tenany tao. Nambarany hatrany tamin’ireo diany kosa fa tokony havela hisafidy malalaka ny Malagasy fa “aza foanana ny fahafahany” manoloana ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.