Politique

Fifidianana filoham-pirenena Mety hahemotra amin’ny mey 2019…


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Tsy misy tokotaniny hatramin’izao ny resaka fanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity, ka mivoaka mihitsy ny resaka fa hahemotra any amin’ny volana mey 2019. Tsy sahin’ny fitondrana ny mamoaka ny daty mazava na efa hatry ny ela aza ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana na ny CENI no nangataka izany.

 

Vao tsy ela akory izay ity vaomiera ity no nilaza fa tokony hialoha ny fiarafaran’ny volana martsa farafahatarany no hamoahana azy io. Asesika hatrany fa ampifanarahana amin’ny lalàmpanorenana ary efa niteny izany ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, saingy ezahina ny mampitarazoka ireo lafin-javatra maro tokony hirosoana. Tsy mbola tanteraka hatramin’izao ny fandinihana sy ny fandanian’ny parlemanta ny lalàna momba ny fifidianana. Tsy resaka teknika fa tena politika maloto no mibahan-toerana. Raha ny tokony ho izy, eo anelanelan’ny 25 novambra-25 desambra 2018 ny hanatanterahana ny fihodinana voalohany, saingy lalaovina ny toe-javatra isan-karazany hahafahana mampitarazoka ny firosoana amin’ny fifidianana toy ny valanaretina, loza voajanahary, fampianarana,… Tsy tongatonga ho azy ny famoronana ilay vanim-potoanan’ny pesta ary voizina fa mety hihamafy kokoa izany atsy ho atsy. Nihemotra ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana, ka ny CAP/EP, izay mamaramparana azy izao, dia ny 21 novambra 2018 no farany, izany hoe tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy raha raikitra aty amin’ny faramparan’ny novambra ny fifidianana. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra hisian’ny rivodoza ihany koa isika amin’izany. Hampiasaina ilay hoe: hahemotra noho toe-javatra tsy azo ivalozana ny fifidianana. Ny tena zava-misy anefa, dia miady an-trano sy tsy mahatoky tena tanteraka ny HVM. Maro, ohatra, no resy lahatra na ny samy olon’ny antoko aza, fa saro-toerana sy tsy ho lany intsony izy ireo raha i Hery Rajaonarimampianina no mbola ho kandida. Olona 4 hatreto no re fa miady sisika sy te ho kandida, dia i Hery Rajaonarimampianina, Rivo Rakotovao, Paul Rabary, ary ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tena hita amin’izao ny tsy mahamatotra ny antoko HVM, izay 4 taona mahery nijoroana. Olom-bitsy aza tsy mahay mifandamina sy tsy matotra ara-pomba fiasa, ka atao mahagaga ve raha tsy misy atokona amin’ny fitantanana firenena ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT