Politique

Fifidianana filoham-pirenena Malagasy Nisy dian-tanan’ny Rosianina ?


  • Talata 09 Aprily 2019

Mitoetra ankehitriny ny ahiahy ny amin’ny mety ho fitsabahan’ny Rosianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo no tanterahana teto Madagasikara.

 

 

 

Nampiasa sy nanome vola kandida filoham-pirenena tsy latsaky ny 6 farafahakeliny ny Rosianina tamin’ny fifidianana natao teto ny volana novambra sy desambra 2018 lasa teo, araka ny fikaroham-baovao sy ny fanadihadiana lalina nataon’ny orinasam-baovao Anglisy BBC, ka navoakany tao amin’ny tranokalany ny alatsinainy 8 aprily vao maraina (https://www.bbc.com/news/av/world-africa-47830161/did-russia-meddle-in-madagascar-s-election). Niditra an-tsehatra teto Madagasikara mihitsy ireo « Stratégistes politiques » Rosianina izay nifandray akaiky tamin’i Kremlin, ivon’ny fitantanana an’i Rosia, araka io fampahalalam-baovao io. Tsy izay maha mpamolavola ara-paikady politika izay kosa ny anarana nentiny, fa tahaka ireny mpitsikilo ireny ka mpizahatany nialokaloka tao ambadiky ny hoe : mpizahatany. I Andry Rajoelina moa no lany, izay ahiana ho misy dian-tanan’ny Rosianina ny fahalaniany. Tsy nivaly ny fifidianana dia  toa efa nanipy teny mahakasika io ny Pasitera Mailhol anisan’ireo kandida nilaza ampahibemaso fa notohanan’ny Rosianina, saingy nivadihan’izy ireo tato aoriana. Tena fifidianana ara-demokratika ary ve izany no natao teto sa zavatra hafa mihitsy ? Tsy teto Madagasikara ihany fa tamin’ny fifidianana filoha Amerikanina  nifaninanan’i Donald Trump sy Hillary Clinton ny taona 2016 no efa nalaza nanerana izao tontolo izao ny fitsabahan’i Rosia tamin’ny alalan’ny fanao hosoka ara-informatika na “piratage informatique”. I Etazonia aza firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany tratran’izany, mainka fa i Madagasikara, izay ao anatin’ny sokajin’ny firenena dimy mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Mety tsy hampiova na inona na inona intsony amin’ny voka-pifidianana io. Mazava ho azy kosa fa tena efa miditra an-tsehatra mametraka ny dian-tanany sy mikatsaka ny tombontsoany eto ny Rosianina. Ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany no tena hitadiavany irika, ka efa nandeha ny fiaraha-niombon’antoka ao anatin’ny orinasa Kraoma, izay niteraka fifanolanana lehibe teo amin’ny mpiasa sasany sy ny mpitantana vao volana vitsy izay. Manao adisisika eto ny firenena matanjaka samihafa satria manan-karena tsy mbola voatrandraka i Madagasikara, saingy tsy mba miantraika any amin’ny ativilanin’ny Malagasy izany…hatreto aloha.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT