Politique

Fifidianana filoham-pirenena Ho fantatra amin’ny 6 aprily ny kandidan’ny TGV


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Ela ny ela ka ho raikitra ihany ny kongresy nasionalin’ny antoko TGV rehefa nahemotra in’efatra, hatramin’ny jolay 2012 no ho mankaty, ka ny 5 sy 6 aprily ho avy izao, no hifampitaona eto Antananarivo ireo mpikatroka TGV, raha ny filazan’i Hajarisaona Elima, mpandrindram-paritra ny TGV Vakinankaratra nandritra ny fambolen-kazo nataon’izy ireo ny zoma lasa teo.

 Ny tena andrasana mandritra ity fihaonambe ity dia ny fanendrena izay ho kandidan’ny antoko amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 24 jolay 2013, rehefa nilaza fa tsy hilatsaka i Andry Rajoelina. Efa mivoaka ihany ny resaka fa olona iray ihany no hotohanan’ny UDR-C sy ny TGV, anarana telo no efa mifamezivezy etsy sy eroa fa hoe mety hatolotr’ity antoko natsangan’i Andry Rajoelina ity. Eo aloha ny PDS-n’Antananarivo renivohitra Edgar Razafindravahy, ny praiminisitra teo aloha ny jeneraly Albert Camille Vital ary ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo.

Araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao politika dia izy mirahalahy farany ireto no tena hifanintsana. Tsy azon’ny TGV tsinontsinoavina koa anefa i Edgar Razafindravahy, noho izy nandrian’ny safidin’i Andry Rajoelina nanankinany ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo taorian’ny raharaha 2009.  Tany am-piandohana dia samy olo-mahatoky an’i Andry Rajoelina izy ireo, saingy amin’ny fanaovana politika moa dia tsy misy hoe manga ny lanitra mandrakizay, na mifanara-tsaina mandrakizay izany, fa tsy maintsy misy foana ihany ny zavatra tsy mampitovy hevitra. Fantatra fa nalahelo i Camille Vital raha nesorina tsy ho praiminisitra intsony ka nampidirina garazy natao ambasadaoro.

Teo aloha kely teo dia nandeha be koa ny feo fa tsy dia mifankahazo intsony i Andry Rajoelina sy i Hajo Andrianainarivelo, ity farany izay voalaza fa efa misora-tena mihitsy hoe kandidam-panjakana, izany hoe kandidan’ny TGV. Misy ampahany amin’ireo mpikambana sy mpitarika TGV anefa no malailay fonosana amin’ity praiminisitra lefitra ity, ka asa izany izay ho fanapahan-kevitr’ity kongresy nasionalin’ny TGV ity, fa dia tena sarotsarotra ihany ny fanapahana amin’izay ho kandida. Matoa koa nahemotra lava ny fotoana saika hanaovana ny kongresy nasionaliny voalohany dia ao raha ! Tsy mifampatoky intsony e ! Azo eritreretina koa anefa hoe paikady izany rehetra izany, mety sinema fa raha ny tena marina dia mety miandry izay anaran’ny kandida hatolotry ny ankolafy Ravalomanana ny ankolafy Rajoelina vao hampahafantatra ny azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT