Politique

Fifidianana filoham-pirenena Hihemotra amin’ny 23 aogositra ?


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Mitodika eny Alarobia misy ny foiben’ny Vaomieram-pirenena manokana misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na ny CENI-T ny mason’ny mpanara-baovao manomboka anio.

 Inona no hambarany manoloana ireo taratasy maroloha tonga eny aminy manery azy ankolaka sy mivantana hamaritra datim-pifidianana vaovao hanatontosana fifidianana filoham-pirenena ? Ny filankevitry ny minisitra omaly moa dia nivantana fa tsy maintsy hahemotra io fifidianana io, fa efa nahita tranga tsy azo anoharana, hono, ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES. Nifanindran-dalana tamin’io ny filankevitry ny governemanta, izay hany afaka milaza fa mihemotra ny fifidianana saingy tsy mbola nanao izany raha ny omaly, fa kosa nandefa taratasy any amin’ny CENI-T mangataka amin’ity farany mba hanapa-kevitra mazava mikasika ny tetiandrom-pifidianana araka izay fahitany azy, na tazomina na hahemotra. Ao anatin’izany tsindry samihafa izany no hiatrehan’ny CENI-T fivoriambe anio. Efa tonga eto an-tanindrazana rahateo Ramatoa Atallah Béatrice filohany raha avy namita iraka tany ivelany tany sady nandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny CENI-T amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.

Araka ny tondrozotra izay efa lasa lalàna dia ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana no miaraka mamaritra datim-pifidianana raha toa ka misy fanemorana indray. Raha tsy mbola nivory akory anefa, ary tsy misy resaka fanemorana datim-pifidianana ny teny Alarobia dia efa mandeha sahady ny feo hatry ny omaly fa efa misy volavola didim-panjakana mandehandeha any ho any, manondro ny hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 23 aogositra 2013. Ny lojikan’izay dia nekena izany ilay fanemorana iray volana notadiavin’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, ary notohanan’ny vaomiera mpanaramaso ny fampiharana ny tondrozotra sy ny foloalindahy sady fanirian’i Andry Rajoelina rahateo koa. Any amin’ny CENI-T izany ny baolina. Ireo kandida rehetra ankoatra an’i Andry Rajoelina dia mitazona ny datin’ny 24 jolay hanaovana fifidianana. Mitazona io daty io koa ny sehatra iraisam-pirenena. Ny Vondrona Eoropeanina moa, raha ny filazan’ny ambasadaorony eto, Leonidas Tezapsidis, dia nanamafy fa tsy misy resaka famatsiam-bola tapaka izany hatreto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT