Politique

Fifidianana filoham-pirenena Haroso amin’ny volana mey 2018 ?


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Miha mazava ankehitriny ny paikadin’ny fitondrana HVM fa mety hotanterahana mialoha ny fotoana ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny feo mivoaka avy ao an-dapa ao.

Toa manaporofo sy manamafy izany ny tenin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly ny alakamisy  alina teo teny amin’ny antenimieram-pirenena. « Efa ho avy tsy ho ela aty aminareo parlemantera ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana … Matoa izahay nanao filankevitry ny minisitra andro alahady dia misy asa maika ary nokajiana mihitsy mba ho tonga eny Tsimbazaza mialoha ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana amin’ity taona ity ireo volavolan-dalàna ireo… ». Tsy nikoropaka nivory ny alahady 19 novambra tamin’ny 4 ora hariva teny Iavoloha mihitsy ny filohan’ny repoblika sy ny governemanta raha tsy misy ny hamehana, izay tsy inona fa ny hanaovana fifidianana tsy ho ela. Mandeha ny resaka fa hotanterahana ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2018 ny fifidianana filoham-pirenena. Tombanana ho amin’ny volana febroary na martsa no hametra-pialana i Hery Rajaonarimampianina. Miakatra hitantana ny firenena i Rivo Rakotovao, araka ny drafitra efa napetraka. Tsy maintsy hotontosaina 30 ka hatramin’ny 60 andro aorian’io ny fifidianana ny filoha vaovao, araka ny ambaran’ny lalàmpanorenana, izany hoe mety amin’ny volana mey 2018 no  hatao ny fifidianana. Tsy misy ny lalàna mamaritra ny hanaovana fifidianana, fa ilay vanim-potoan’ny orana no tsy nekena. Maro ny kandida ho sahirana raha raikitra io. Ao ireo tsy nanetsika ny olony any amin’ny faritra, misy ny mbola mipetraka any ivelany ka mety tsy hahavita hanaja ilay fepetra hoe tsy maintsy monina eto Madagasikara enim-bolana mialoha ny daty hanaterany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany izay kandida filoham-pirenena. Etsy an-kilany, efa tsara fiomanana ary efa nahazo tombony ny kandidan’ny HVM, Hery Rajaonarimampianina, filoha am-perinasa. Sarotra ny hametraka ekipa manerana ny nosy hanomana fifidianana izany, eny fa na dia ireo delegen’ny kandida isaky ny birao fandatsaham-bato fotsiny aza. Mbola manana tombony ihany koa anefa amin’io ny HVM satria efa manana ny olony any amin’ny faritra, distrika, kaominina ary fokontany. Sarotra ny hinoana amin’izao zava-misy iainana eto amin’ny firenena izao fa tsy hampiasa ny fahefam-panjakana ny olon’ny HVM rehefa kandida i Hery Rajaonarimampianina. Misy antony goavana ny nametrahana ny filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao ho filohan’ny antenimierandoholona ary haka ny toeran’ny filohan’ny Repoblika tsy ho ela rehefa raikitra ny fifidianana.Mazava be ny kajy !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT