Andro main-tany ihany no tokony hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena dia ny faran’ny taona 2018, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny komity mpanara-maso ny fiainam-pirenena na ny KMF CNOE, Raharisoamalala Patricia.
Araka ny fantatry ny maro sy ny voalaza ao amin’ny lalàmpanorenana dia ny janoary 2014 no nandraisan’ny filoham-pirenena fahefana ka ny janoary 2019 koa ny tenany no tokony hametra-pialana. Tokony ho vita mialoha izay ny fifidianana raha tiana ny hizorany araka ny tokony ho izy. Ahiana ho aorian’ny volana janoary 2019 indray raha tsy vita satria dila ny fotoanan’ny main-tany. Aoka ny lalàna no hampiharina, hoy ity komity ity, ary aoka ny mpitondra no ho modely voalohany amin’ny fanarahana izany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.