Politique

Fifidianana filoham-pirenena Hahazo ny anjarany izay kandida manirikiry ny HVM


  • Talata 13 Martsa 2018

Sahirana amin’i Marc Ravalomanana ny fanjakana HVM, ary efa manangam-bovona amin’i Andry Rajoelina satria matahotra mafy ny ho resy amin’ny fifidianana. Tsy ireo ihany anefa no ho kandida mety hanana ny tanjany eo, fa efa manangasanga any ihany koa ny hafa.

Re koa fa hipoitra tsy ho ela i Orlando Robimanana, izay malaza ho kandida matanjaka ara-bola sy efa niomana fatratra na dia tsy misehoseho aza. Efa misy ny fivoriana sy fikaonan-doha ataon’ny herivelona politika sasany, toy ny vondrona ARMADA, ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo, Camille Vitale, Jean Louis Robinson,... izay mikatsaka fatratra izay kandida hotohanany sy azony antoka. Ekena fa mpikambana ao anatin’io ny MAPAR tarihin-dRajoelina, saingy maro amin’ireo mpikambana no efa nanana olana taminy, ary efa nisafidy ny nandeha irery tamin’ny 2013. Re siosio, fa mety hiantefa any amin’i Orlando Robimanana izy ireo satria sokajiana ho manana ny ampy izy raha ny resaka ara-bola. Hitombo izany ny olona atahorana amin’ny fifidianana, kanefa raha ny kajikajy amin’izao fotoana izao dia any amin’ny laharana faha-4 na faha-5 i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana raha mandeha amin’ny mangarahara sy tena madio tokoa. Izay hipoitra eo ve izany, dia hilam-baniny sy handefasana Emmoreg na hamoronana dosie maloto avokoa ? Rehefa zohiana sy halalinina, dia mikendry ny hisian’ny korontana. Tiana hapetraka eto ny hoe raha maty aho matesa rahavana, ka aleo aloha mifamango ihany fa tsy hisy hanaiky resy tsy miady izany eto.  Raha sanatria hosakanana aza anefa izay kandida atahorany eo, dia tsy maintsy hanao izay tsy hampandany azy. Eny fa hatramin’ny vahoaka aza hanohana kandida heveriny fa haharesy ny HVM amin’ny alalan’ilay hoe: “vote sanction”. Ekena fa hanatosaka volabe, saingy mety ho vola hariam-potsiny satria mba efa miomana amin’izany ihany koa ny hafa.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT