Fifidianana filoham-pirenena

> Tsy tokony hatao, hoy ny Dr Joseph


  • Alakamisy 24 Oktobra 2013

Tsy tokony hatao io fifidianana io, hoy ny Dr Joseph Randriamiharisoa, satria tsy mbola feno ny fepetra ahazoana manatanteraka azy ka ahiana hisy tsy fetezan-javatra, vokatr'izany.

Misy zavatra hafahafa ihany ao anatin’izao fifidianana filoham-pirenena voalohany amin’ny Repoblika fahefatra izao, hoy izy, fa tsy tazana nandray anjara nivantana tao anaty fifaninanana ireo antoko politika lehibe. Fikambanana na fiarahamonim-pirenena no betsaka tamin’ireo nanolotra kandidà, hoy ihany ity minisitry ny tontolo iainana teo aloha ity. «Tsy mazava amiko ny tena anton’io fihetsika tsy manaraka lojika politika io satria natao haka fahefana ny mpanao politika isaky ny misy hirika fa tsy hialangalana fotsiny toy izao», hoy izy. Nampahafantariny kosa anefa fa ireo antoko politika ireo ihany no miafina ao ambadiky ny fikambanana na fiarahamonim-pirenena nirotsaka hifaninana amin’io fifidianana io. Tokony hotakian’ny vahoaka amin’ireo antoko ireo ny antony tsy nandatsahany olona tamin’ny anarany, hoy ny Dr Randriamiharisoa Joseph. Azo raisina ho andrimpanjakana koa ny antoko politika, hoy ny Dr Randriamiharisoa Joseph, ka azo terena hanatanteraka ny adidiny amin’ny firenena sy ny mpikambana ao aminy.

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT