Fifidianana filoham-pirenena

> Efa eto an-toerana avokoa ireo mpanaramaso iraisam-pirenena


  • Talata 22 Oktobra 2013

Nifamotoana sy nifampizara vaovao tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita notarihan’ny filohany Atallah Béatrice teny amin’ny foiben’ny CENI-T teny Alarobia omaly alatsinainy 21 oktobra 2013 ireo iraka iraisam-pirenena hanara-maso ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara hotanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 ho avy izao.

Nisongadina nandritra ny fihaonana ny famaritan’ireto mpanaramaso vahiny ireto ny tanjona goavana amin’ny fahatongavan’izy ireo eto mandritra ny fanatanterahana ny fandatsaham-bato dia ny fandrefesana ny fahamarinana, ny fanekena ary ny fangaraharahan’ity fifidianana izay filohan’ny Repoblika vaovao eto Madagasikara ity. Tsy nisalasala rahateo ireto manampahaizana vahiny manokana momba ny fifidianana ireto nilaza ny fahavononan’izy ireo hiara-dalana amintsika mba hivoahan’ny firenena Malagasy amin’ny krizy. Omaly io ihany dia nifandimby nihaona tamin’ireo mpikirakira vaovao Malagasy tamin’ny toerana efatra samihafa ireto mpanara-maso iraisam-pirenena avy amin’ny vondrona sy fikambanana samihafa ireto. Teny amin’ny Le Louvre Antaninarenina, ohatra, ry zareo avy ao amin’ny Eisa na Ivontoeram-pifidianana mikatsaka ny demokrasia maharitra eto Afrika tarihin’ny filoham-pirenena maorisianina teo aloha Cassam Uteem izay ahitana manampahaizana sy solontenan’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena miisa 40 avy amin’ny faritra samihafa eto Afrika. Teny amin’ny Carlton Anosy kosa ireo ekipan’ny fikambanana mpanara-maso iraisam-pirenena avy amin’ny Frankofonia miisa 56 tarihin’i Louise Frechette, masoivoho kanadianina tao amin’ny firenena mikambana sady Sekretera jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana teo aloha. Teny amin’ny La Résidence Ankerana ry zareo MISCA PDBG. Ny Omaly folakandro ihany koa dia teny amin’ny hotely Colbert no nitafa tamin’ny mpanao gazety Malagasy ireo mpanara-maso miisa 71 avy amin’ny Vondrona afrikanina.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT