Politique

Fifidianana filoham-pirenena 2018 Tsy tompon-tsafidy ny Malagasy


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Tsy mbola misy tokotaniny ny resaka fanomanana ny fifidianana eto amintsika. Na misy aza ny fanisana mpifidy ataon’ny Vaomiera Mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI nanomboka ny 1 desambra 2016 ka hatramin’ny 31 janoary 2017,

dia mbola maro ny lesoka, indrindra ny vola hoenti-mikarakara ny fifidianana izay mbola handadiladiana amin’ny mpamatsy vola. Ny 31 janoary mantsy vao hisy ny tena dinika hifanaovan’ny CENI sy ny mpamatsy vola, izay hijerena manokana ny fandraisan’anjaran’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny zotram-pifidianana 2017-2018. Miankina tanteraka amin’ny any ivelany ny raharaham-pirenena fa tsy mba manana fahaleovantena amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy ary tsy tompon-tsafidy amin’ny fitantanana ny fireneny. Fa isika izany dia natao hangata-bola lava, ka tsy atao mahagaga raha ny vazaha no mibaiko, ary izay kandida tohanan’ny iraisam-pirenena ihany no lany eo. Rehefa ny vondrona iraisampirenena no mahazo vahana sy tompon’ny teny farany noho ny fianteherana aminy dia ho avy ilay resaka fisakantsakanana ireo kandida tsy tiana ho lany. Voizina ny hoe fifandimbiasana ara-demokratika, ary tsy tokony hiverina amin’ny fitondrana ireo kandida efa nitondra na niongana, ka dia ketrehina mafy ilay hoe “ni... ni...”. Henjana ny fingampingana mba hampandaniana ny olona tian’ny iraisam-pirenena, ary soavaly vao azo baikoana tsara matetika no kotrehina ho eo amin’ny familiana an’i Madagasikara. Ho sarotra ny hibaiko sy hanao saribakoly ireo efa teo, ka dia any anaty fifidianana no hamotehana azy, mba ho an’ny tombontsoan’ny vahiny saingy toa manaiky mora foana ny Malagasy. Na ny CENI aza moa tsy tompon’ny teny farany akory, toy ny famerana ny datim-pifidianana satria amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra no hanapahana ny datim-pifidianana, izay hampahafantarina 90 andro mialoha, ka azon’ny mpitondra lalaovina amin’izay tiany io daty io, ary efa kotrehina hahemotra ny fifidianana filoham-pirenena. Aiza ilay hoe hambompom-pirenena dradradradraina lava ? Tsy vitantsika mihitsy ve ny manome tetibola ny CENI fa dia mangata-dava ? Sa ny finiavana no tsy misy ? Mbola ho ela vao ho afaka eo ambany vahohon’ny vahiny isika raha mbola izy ireo hatrany no tompom-pahefana amin’ny ativilanin’ny Malagasy, ka hijanona ho mpanara-kefa eto fotsiny isika.


Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT