Politique

Fifidianana filoha Tsy sahy indray i Orlando Robimanana ?


  • Talata 20 Martsa 2018

Manomboka miova ny tsiokan’ny rivotra politika eto amin’ny firenena tato anatin’ny fotoana fohy. Nangina sy tsy re feo intsony i Marc Ravalomanana tato ho ato.

Tsy nisy aloha ny kapa ranjo sy fanenjehana fatratra ataon’ny HVM, izay mety tsy hahomby intsony. I Marc Ravalomanana no tena nanaovana an’io, saingy io nangina tampoka io. Tsy tongatonga ho azy ny fahanginany, izay vao mainka mampikoropaka ny fanjakana HVM. Taorian’ny nidiran’ny Amerikanina an-tsehatra momba ny raharaha Andranomanelatra no tsikaritra ho niova ny tantana, izay tsy tongatoga ho azy. Nahazo toromarika avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ve i Marc Ravalomanana sa inona no ho mety ho ao ambadiky ny fahanginany ? Eo ny mety ho fisian’izay toromarika izay fa miha mafana ny raharaha, ka mitandrina mafy amin’ny mety ho vela-pandrika hatao aminy izy. Vaovao goavana sy vao mainka mampitombo ny tebitebin’ny HVM ihany koa ny fanambarana goavana nataon’i José Vianey na “Vijo” ny faran’ny herinandro teo fa kandida filoham-pirenena ny tenany. Mandeha ny resaka fa anisan’ny atokisan’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ity mpahay fiarahamonina sady diplomaty efa Ambasadaoron’i Madagasikara tany amin’ny UNESCO ity, ka vao mainka mihorohoro fatratra sy tsy mahita izay horaisina intsony i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany. Nandeha ny resaka tany aloha fa kandida hatolotry ny iraisam-pirenena ihany i Orlando Robimanana, izay efa nampiasain’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI, ary voalaza fa manam-bola matevim-be hiatrehana ny fifidianana. Re siosio nanomboka omaly anefa fa hihemotra ny tenany, ary ny foiben-toerany na “Quartier general” teny Andranomena aza dia re fa efa nofoanana ary nafindra toerana hatramin’ireo fiara maro be nitoby tao. Fifanandrifian-javatra ve ny fahanginan’i Marc Ravalomanana sy ny firotsahan’i José Vianey ary ny mety ho fihemoran’i Orlando Robimanana ? Tombanana ho tsy tongatonga ho azy ireo toe-javatra miisa telo ireo fa misy ifandraisany ary heverina avy hatrany fa misy kajikajy tian’ny sehatra iraisam-pirenena hapetraka ao. Ny manomboka mazava dia tsy i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM no kendrena mbola hitondra ny firenena. Mety ho izany ve no mahatonga azy ireo manaotao foana sy mitady hirika tsy hisian’ny fifidianana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT